Politique

Rakotomalala Henry na Riribe “Aza manabarabara olona ianareo”


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Aza manabarabara olona ianareo, hoy ny mpanao politika, Rakotomalala Henry na Riribe. Tsy mitombina mihitsy izany filoham-pirenena tsy nanome baiko ny minisitry ny raharaham-bahiny

amin’ny fanapahan-kevitra fara-tampony toa ireny fa aza mamita-bahoaka ianareo mpanao seraseran'izao fitondrana izao, hoy izy. Fanapahan-kevitra niarahanareo nanao ireny teny anivon'ny ONU ireny saingy mafy ny tsindry avy ato amin’ilay vady vao ka mody natao sorona na “fusible” ny minisitra. Voaporofo izany amin’ny fanendrena ny minisitry ny fiarovam-pirenena ho mpisolo toerana ny minisitry ny raharaham-bahiny satria izy no nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa farany tany Moskoa dia napetraka eo mba hitohizan'ny fiaraha-miasa ara-diplomatika. Dia gaga sy talanjona ny gasy kely sy izahay gidro bado sy dondrona, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT