Politique

Rakotomalala Henry na Riribe “Aza atosikareo any amin’ny valifaty ny firenena”


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Afa-baraka eran'izao tontolo izao indray ny fitondram-panjakana malagasy anio 8 martsa 2023, hoy ny mpanao politika Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.

Manerana izao tontolo izao dia nomen'ny lalàna iraisampirenena zo feno hiresahany ny fanatsarana ny zon'ny vehivavy ny 8 martsa, hoy izy. Tsy misy lalàna manakana izany eto amin’ny firenena. Inona loatra re no nahazo anareo mpitondra fanjakana ankehitriny no dia mpitandro ny filaminana mirongo fiadiana mahery vaika no nanakana ireto renim-pianakaviana vehivavy malagasy tanam-polo saika haneho hevitra am-pilaminana ao anaty toerana voafefy ireto teny amin’ny Magro Behoririka? Aza atosikareo any amin’ny valifaty sy hatezeram-bahoaka ny firenena fa tsy mendrika ny firenentsika izany. Ny dahalo sy jiolahy feno manerana ny nosy tsy voafehinareo. Ny vehivavy maneho hevitra tanam-polo arovan'ny lalàna iraisampirenena sakananareo amin’ny alalan'ny mpitandro filaminana an-jatony. Nandresy ny vehivavy Tim anio ary izay tomponandraikitra nanome baiko an'iny dia tena nanapotika ny filoha Andry Rajoelina, hoy hatrany ny tenany omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT