Rakotomalala Henry

“Mbola ahita havaly ihany ve ny HCC?”


  • Talata 24 Oktobra 2023

Mbola ahita havaly hampandeha ny fifidianana ihany ve ianareo ao amin’ny HCC, hoy ny mpanao politika,

Rakotomalala Henry na Riribe? Mazava tsara ny voalazan'ny lalàmpanorenana amin’ny andininy faha 47, hoy izy, fa "Raha misy ny fahafatesan'ny mpilatsaka ho fidiana alohan'ny fiodinana iray amin’ny fandatsaham-batona koa misy toe-javatra hafa tsy azo anoharana voamarin'ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ara-dalàna dia ahemotra amin’ny vanin'andro vaovao ny fifidianana, araka ny fepetra sy araky ny fombafomba izay ho faritana amin’ny alalan'ny lalàna fehizoro." Amin’ny teny frantsay izy dia hoe "En cas de décès d'un candidat avant un tour de scrutin,ou s'il survient un autre cas de force majeure dûment constaté par la Haute Cour Constitutionnelle, l'élection est reportée à une nouvelle date dans les conditions et selon les modalités qui seront définies par une loi organique." Raha mbola tsy misy dikany amin’ny HCC indray io fangatahan'ny kandida Andry Raobelina io, izay mbola mitsabo tena any am-pitan-dranomasina vokatry ny herisetra nataon'ny mpitandro ny filaminana azy ka naharatran'ny masony dia vao mainka mibaribary ny fitongilanan'ny HCC sy ny tsy fanarahan-dalàna ataon'izy ireo. Fotoana koa izao hidirana amin’ny dinika an-databatra boribory amin’izay handaminana ny savorovoro misy eto amin’ny firenena, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT