Nialoha iny fifidianana natao iny dia efa nanambara izahay APRN (Association pour la Paix et la Réfondation de la Nation), hoy Rakotomalala Henri na Riribe fa tsy mendrika ny Malagasy izao fifidianana tandrametaka sy petatoko ary natao amboletra izao fa hiteraka krizy vaovao indray.
Fifidianana izay ny Iraisam-pirenena no tompon-kevitra tamin’ny hanaovana azy. Tsy nanakorontana an’ireo fifidianana natao ireo izahay, hoy ity mpitari-tolona avy any Toamasina ity, fa isaoranay kosa fa Malagasy Tia Tanindrazana ireo 50% tsy tonga nandatsa-bato fa nanaraka ny teninay. Raha ny zava-nisy, hoy i Riribe, na tamin’ny fihodinana volohany na tamin’ny fihodinana faharoa dia niharihary ny hala-bato. Fifidianana no natao nefa lasa fividianana olona satria hitam-poko hitam-pirenena ny fampiasan’ireo kandidà volabe izay nihoa-pefy tanteraka. Manaraka izany dia fandikan-dalàna tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany afa-tsy teto Madagasikara izany hoe lalàna ka resin’ny didim-panjakana izany ary dia nangina fotsiny anefa ny Vondrona Iraisam-pirenena tamin’izany. Efa nisy zavatra nokononkononina tao. Farany, manana porofo izahay, hoy izy fa nisy hala-bato teto. Tsy mbola nisy teto olona nitarika an’isa tamin’ny fihodinana voalohany ka ho resy amin’ny fihodinana faharoa izany. Tsy mbola nisy olona voafidim-bahoaka teto Antananarivo Renivohitra izany ka ho resin’ny vato any amin’ny sisiny. Nahoana no tsy sahin’ny tompon’andraikitra avoaka ampahibemaso ireny fitarainana nisy porofo nataon’ny kandidà mpifanandrina ireny ? Misy tombontsoa arovana ao. Mivarilavo ny mpanao politika Malgasy amin’izao fotoana ka tsy maintsy hitranga eto amin’ity firenena ity ny korontana, ny tsy filaminana, ny fitohizan’ny tsy fandriampahalemana ary ny valifaty ka tsy maintsy mijoro ny Tia tanindrazana rehetra hiaro ny safidiny izay tsy azo nangalarina teto Antananarivo Renivohitra. I Riribe sy ny vahoakan’i Toamasina tarihiny, hoy izy, dia mitaky ny fampitahana ny PV rehetra ary mitaky tsy misy hatak’andro koa ny hamelana malalaka an’Atoa Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.