Politique

Rakotomalala Henri “Hatsaraina aloha ny CENI sy HCC vao manao fifidianana”


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Raha tsy milamina ny fanoloana ny mpikambana rehetra ao amin’ny Ceni sy ny Hcc, ny ratsamangaika, ny fokontany, ny distrika, ny kaominina izay nikirakira ny fifidianana dia tsy tokony hirosoana aloha ny fifidianana Ben’ny tanàna,

 

 

  hoy ny hetsiky ny olom-pirenena, satria ireo no tompon’andraikitra tamin’ny halabato niseho teto, toa ny fifidianana filohampirenena sy ny depiote farany teo.Nambaran’i Rakotomalala Henri na Riri be avy amin’ny hetsiky ny olom-pirenena, fa tokony ovaina ny lalàna mifehy ny fifidianana mba isian’ny fifidianana madio, mangaraharaha ary eken’ny rehetra. Tokony ireo nandika lalàna sy nanao fahadisoana. Manao antso avo amin’ny olom-pirenena rehetra ny hetsiky ny olom-pirenena mba hitsangana hatramin’ny farany ary hanohitra ny halabato sy ny hosoka.Tsy hisy firenena vanona eto raha ohatra ka  olona lany tamin’ny halabato no hitondra sy ny firenena sy ny faritra, hoy izy. Ny fihaonambe ataon’ity hetsika ho an’ny olom-pirenena ity etsy amin’ny Carlton dia fandraisana andraikitra sahady amin’ny fanatsarana sy ny endriky ny  fifidianana atao eto amin’ny firenena. Tsy azo ekena  intsony ny hiverenan’ny halatra eto, fa zava-doza ny nandrafetana ny fifidianana depiote farany teo iny. Mila mandray andraikitra ny olona rehetra ka ho sarotiny mba hampanjakana  ny fahamarinana eto amin’ny firenena.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT