Politique

Rakotoarisoa Faniry Alban “Tsy matotra ny fiatrehan’ny fitondrana ny fifidianana”


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Nitaraina mafy tamin’ny tsy fahamatoran’ny fitondram-panjakana hiatrika ny fifidianana Ben’ny tanana omaly Rakotoarisoa Faniry Alban,

 

 

 kandida Ben’ny tanànan’Antananarivo hatolotry ny Antoko Politika Madio (APM). Hatramin’ny fotoana nahatongavany teny an-toerana dia mbola nilahatra ilay quittance  ho mariky ny fanaterana ilay “caution” eny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana na trésor  ny mandateran’ity kandida ity, raha anisan’ireo antontan-taratasy ilaina maika eny anivon’ny OVEC izany. Angaha izy ity hoy izy kilalaon-jaza no mbola milaza ho tsy naharay baiko mahakasika izany foana ireo tompon’andraikitra  tokony handray izany sa ny fitondram-panjakana mihitsy no tsy vonona ny amin’izay ho kandidany ?  Hafahafa izany aminay hoy hatrany ity kandida ity ankoatra ny fampiakarana ny caution ho lasa avo roa heny. Omaly no nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany teny amin’ny OVEC Nanisana ity kandida iray ity, notronin’ireo mpanolon-tsaina miaraka aminy miisa 24.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT