Kandidà ho solobavambahoaka lah.24 hifaninana eo anivon’ny Boriborintany faha-III eto an-drenivohitra ny tsy miankina Rakotoarisoa Andrianjaza Jean Seth Dieudonné.
Heverinay, hoy izy, fa ny lalàna rehetra mikasika ny fananan-tany dia tokony handalo eo anatrehan’ny solombavambahoaka avokoa aloha satria sarotiny amin’ny taniny ny Malagasy, ny vahiny anefa dia manararaotra ny fahantran’ny mponina ka mividy mora izany tany izany. Tsy maintsy jerena ny tombontsoam-pirenena ka amin’ny ankapobeny dia tokony hanana ny maha izy azy mihitsy ny solombavambahoaka ka tsy tokony hisy mihitsy izany lalàna havoaka izany ka tsy handalo hodinihan’ny eny Tsimbazaza. Ny vahoaka no mifidy ny depiote, hoy Atoa Rakotoarisoa Dieudonné, ka raha solombavambahoaka tsy hihaino ny feom-bahoaka izany dia tsy izy. Efa nihaino ny feom-bahoaka izahay fony naha mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo anay ka mahafantatra fa betsaka ny asa fanarenana tokony hatao iarahana amin’ny mpanatanteraka ao amin’ity Boriborintany faha-III hirotsahanay ity. Vonona izahay hijoro hanara-maso sy hanakiana ny zava-tsy mandeha ataon’ny mpanatanteraka fa tsy ho tsangan’olona mpanangan-tanana fotsiny tsy akory sanatria ary vonona ihany koa hanohy ny fijerena ny sosialim-bahoaka efa natao hatrizay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.