Rakotoarijaona Nirina

« Fametraham-pialàna no andrasan’ny vahoaka aminareo »


  • Talata 12 Novambra 2024

maneho ny heviny momba ny zava-misy, indrindra ny olana ara-tsosialy ankehitriny sy ny fiatrehan’ny

fitondram-panjakana azy Atoa Nirina Rakotoarijaona, kandida depiote teto Antananarivo, tao amin’ny Boriborintany fahatelo. Nahitsy izy naneho fa efa ho tapitra ny taona 2024, tsy izany delestazy izany intsony no ady tokony hatrehina. Inona no nataonareo nandritra izay 15 taona izay ? Ny asa nandrasanay vahoaka taminareo dia mikasika indrindra ny : Fanabeazana, Fampianarana ary ny seham-pikarohana, Famoronana Asa, Fandriampahalemana, Fahefa-mividy, hoy io mpanao politika io. Tsy vita ilay asa nandrasana taminareo, tsoriko fa ny fametraham-pialana no nandrasan'ny vahoaka taminareo Tompoko, hoy Atoa Nirina Rakotoarijaona tsy nisorona, naneho raha halalinina fa fahatsapan-tena no tokony hasehon’ny fitondrana ankehitriny hoe : rehefa tsy mahavoa sy tsy mahavaha olana dia miala satria mandrak’ity ny androany mbola mihitsoka tanteraka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT