Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana, ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy,
raha ny fanehoan-kevitra nataon’ny filohan’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean Louis. Io resaka lalàna io mantsy no tsy nety ny nandrafetana sy ny fanatanterahana azy, fa samy nanao izay tiany nitondrany azy ny mpitondra nifandimby teto. Ny fifidianana filoham-pirenena farany teo anefa dia ny frantsay no tao ambadik’ireny ary nanao izay nampandany ny filoha ankehitriny, hoy ny fanazavany. Ny filoha Rajoelina Andry dia nanamafy izany, tamin’ny fampielezan-kevitra nataony fa tsy maintsy lany ny tenany, hoy izy. Ilaina noho izany ny fanorenana ifotony, mba tsy hisian’ny olana hiverimberina eto amin’ny tany sy ny firenena intsony. Tokony hampanjakaina ihany koa ny tena demokrasia mba hisian’ny tena tan-dalàna. Manana ny maro an’isa ny Ird eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’izao, fa rehefa misy ny volavolan-dalàna iray haroso dia iretsy voalohany no mandany azy, hany ka tsy mipetraka ny demokrasia ao amin’io andrimpanjakana io, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.