Tia Tanindrazana (T.T) : Fantatra fa ianao no voalohany tamin'ireo kandidà tsy tafita tamin'ny fihodinana voalohany nanao fanambarana fanohanana ny kandida Jean Louis Robinson. Inona re no antony ?
Rakoto Andrianirina Fetison (RAF) : Tsy niova ary tsy hiova amin'ny foto-kevitra nijoroako ka nahatonga ahy nanangana ny Antoko RDS na ny Roso ho amin'ny Demokrasia Sosialy aho. Ny fahalalahana sy ny fanajana ny demokrasia no anisan'ireny Dr Jean Louis Robinson no hitako amin'izy mirahalahy fa manakaiky kokoa an'izay soatoavina izay, na dia miezaka ny mampiseho fa te hampiaina an'izany aza ny kandidà mpifanandrina aminy. Tsy nilana fifampiraharahana izany fanohanana izany fa nandeha ho azy tsy noterena.
T.T : Koa raha efa fantatrao fa efa mitovitovy ny tarigetranareo, naninona no mbola nirotsaka ?
RAF : Tsy izany intsony angamba no tokony handaniantsika fotoana. Ny mahafaly izao dia ny fahitana fa mizotra tsikelikely ho any amin'ny fivoahana amin'izao olana ara-politika izao isika eto Madagasikara.
T.T : Betsaka ny manahy fa mety tsy handeha amin'ny laoniny izao fihodinana faharoa izao. Singanina manokana ny fahitana an'ireto mpitondra ny rafitry ny tetezamita mandray anjara mivantana amin'ny fampielezan-kevitra. Ny hevitrao ?
RAF : Efa fantatra fa misy zavatra tsy mety ao amin'izao rafitra tetezamita izao kanefa tsy maintsy miroso isika amin'ny fifidianana raha te hiala amin’izany. Aiza no hisy fifidianana tsy miandany raha toa ka ny olona eo amin'ny fitondrana dia afaka mandray anjara amin'ny fampielezan-kevitra ? Na dia teo aza ny fiaraha-mitantana izao tetezamita izao dia tsy voasakana izany zavatra mamoafady izany. Ny vahaolana dia ny manao izay ahatomombana an’izao fihodinana faharoa izao amin’ny alalan’ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fifidianana.
T.T : Araka ny hevitrao, raha lany eo Atoa Jean Louis Robinson, mety hisy fiantraikany eo fifandraisan'i Madagasikara amin'i Lafrantsa ve izany ?
RAF : Mivoatra izao tontolo izao. Noho ireo adiady etsy sy eroa, indrindra any tapan’ny avaratr’i Afrika, dia manjary lasa iadivana ity firenentsika ity noho ny toerana misy azy aty amin’ny lakandranon’i Mozambika sy ranomasimbe indiana ary indrindra noho ireo harena voajanahary misy eo aminy. Noho izany, tokony hahay hiaraka hiasa amintsika i Lafrantsa, tokony havaozina ny fifanarahana rehetra mba hahitan’ny roa tonta tombontsoa. Ny kandida Jean Louis Robinson dia tokony hanana tombony manokana amin’izany fifandraisana izany.
T.T : Amin’ny maha mpanohana an’Atoa Jean Louis Robinson anao, inona ny hafatra tianao hampitaina amin’ireo vahoaka Malagasy ?
RAF : Kihon-dalana eo amin’ny fiainan’ny firenena Malagasy izao iainantsika izao. Mila mandresy amin’ny salan’isa ambony dia ambony isika miaraka amin’ny kandida Robinson mba hahafahantsika mifantoka amin’ny fampihavanana sy ny fampandrosoana maharitra ho an’ny Malagasy sy i Madagasikara. Aza atao kitoatoa ny hoavinao ka fantaro izao tokony hametrahanao ny safidinao. Raha betsaka ny elanelam-bato manasaraka ny mpifaninana mirahalahy dia ho sarotra ny hitondra tsikera sy hanao hosoka ho fandravana ny valim-pifidianana.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.