Voaporofo teny Anosimasina Itaosy ny sabotsy 30 novambra teo, tao anatin’ny lanonana fitokanana ny foibe toerana iaingan’ny torimarika fampielezan-keviny na QG, fa nahazo tso-drano avy tamin’ny filoha Marc Ravalomanana ny kandidà iray eny Avaradrano amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka hotanterahina ny 20 desambra dia Atoa Rakoto Andrianiaina Jaona. Ny tenan’ny minisitra Roland Ravatomanga izay vao avy nihaona tamin’i Dada nivantana tany Afrika Atsimo no nanambara izany ampahibemaso raha nanome voninahitra ity lanonam-pitokanana ity ny tenany. Efa fantatry ny vahoaka ny zavatra nataoko sy ny antsojay nanjo ahy tao anatin’izay tolona niarahana hamerenana ny ara-dalàna sy famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana izay hoy izy, ary tsy hitsahatra hatramin’ny farany hiaraka amin’ny vahoaka ny tenako mandra-piverin’i Dada ka vonona ny hisolovava azy ireo amin’ny fametrahana lalàna mahasoa ny firenena rehefa mby eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza tsy ho ela. Tsy nataotao foana araka izany ny nisafidianana ny teny filamatra : «Jaona miaraka amin’i Dada».
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.