Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Milaza fa rehefa mijaly ny vahoaka dia tsy matory hono izy! Toy ny mahazatra, mitanisa olana sy mampanantena lava hatrany aloha ! Mila lazaina amin’ny vahoaka ny marina ? Izy indray no manontany hoe : inona no olana ? Misy vaholana ve sa tsy misy ? Eto Antananarivo, nambaran-dRajoelina fa ny mahatonga fahatapahana sy fahasorenana dia ny fipoahan’ny « transformateur » Tana SUD 25 MVA izay efa nipoaka tamin’ny herintaona. Tapaka ny tapany Atsimo rehetra : Itaosy manontolo hatrany Arivonimamo,… Tsy maintsy nampifandimbiasana. Nolazaina fa tena misy olona miasa ao amin’ny Jirama fa misy olona misompatra ihany koa. Milaza ho nivory ora efatra niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Jirama hatramin’ny 1ora marina. 40 taonina ilay « transforomateur », ka nomena toromarika ny Jirama hanafatra an’io, izay 2 ngeza be amin’io. 30 andro ny fanamboarana fa nahita olona mahavita manamboatra azy 30 andro, ka ho vita afaka 2 volana. Nolazaina indray avy eo fa tsy ekena hoe ajanona amin’izao, ka hamboarina haingana alohan’ny fety ilay simba ary efa tonga ny fitaovana samihafa. Nambara fa efa nisy vahaolana nentin’ny Jirama, 7,5MVA eny Soavina. Mitohy hatrany ny fitanisana olana, ka nitanisana ny fahanteran’ny fitaovana ampiasain’ny Jirama. Ny « sous-stations » eo Ambodivona efa tamin’ny 1956, Ambohimanambola 1982, Tana Nord 2001,… Efa mihoatra ny 100% ny « charge » tsy zakan’ireo « transformateur ». Efa tokony hovaina sy hamafisina daholo ireo, hanova, efa misy fifanarahana nifanaovana sonia tamin’ny sinoa. Rehefa tsy misy ny jiro, dia tsy afaka mandeha ny fihariana, hoy ingahy Filoha. Fantatra izany koa inona nahoana no tsy voavaha ny olana hatramin’izao ?
HO FOANA MIALOHAN’NY FARAN’NY TAONA
Nolazaina fa ny vahaolana eto Antananarivo dia efa nametraka parc solaire, 30MW tsy maintsy ho vita amin’ny faran’ny taona. Ny fahabangana amin’ny andro atoandro dia 30MW ka hamafa ny fahatapatapahan-jiro mialohan’ny faran’ny taona, hoy indray ny fampanantenana. Milaza hanao fampiasam-bola goavana be hametraka 100MW ezahina hovitaina amin’ny 2026 indray taorian’ny 400MW poakaty nolazaina ny 2018. Ho avy eto ny orinasa Leader mondial amin’ny resaka panneau solaire hametraka 50MW mialohan’ny volana jona amin’ny herintaona, ho avy ny arabo,... Fehiny, nolazaina fa amin’ny herintaona tokony hipetraka ny 200MW. Lazaina fa tsy nanao fampiasam-bola na « investissement » tamin’ny angovo azo havaozina mihitsy ny Fanjakana hatramin’izay fa izao isika vao manao. Talohan’ny 2009 nanana ambim-bava an-jatony miliara Ar ny Jirama, izao bokan-trosa an’arivony miliara maro. Nampanantena 100MW isan-taona indray Rajoelina. Hatramin’ny tetezamita no efa niresahana « éolienne », 15 taona teo Rajoelina teo amin’ny fitondrana, tokony ho nahavita 1500MW raha kely fa ilay 400MW tao anatin’ny 5 taona poakaty, nilaza tamin’ny fiandohan’ny 2022 fa ho foana afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana ny delestazy,… fa mandrak’ity ny androany mbola fitanisana fa hanao an’izao sy izao.
FANILIHANA AMIN’NY HOE : MISY MANODINKODINA NY SOLIKA ?
Ny famatsiana solika sy ny fikirakirana dia miteraka fatiantoka sy fijaliana. Nivory niaraka tamin’ny DG Jirama hoe : fa maninona no mitombo ny delestazy any Antsiranana ? Mahajanga ? Antananarivo ? Mbola misy rano ihany aloha fa any amin’ny septambra sy oktobra vao ho mafy be ny delestazy. Rehefa jerena ny kaontin’ny Jirama, ny solika dia nolazaina fa nihoatra ny tamin’ny taon-dasa kanefa ny delestazy nitombo. 1,084 tapitrisa litatra ny solika lany tany Mahajanga tamin’ny martsa 2024. Lasa 1,500litatra tamin’ity kanefa ny delestazy mitombo. Nanjavona, tsy hita, very ny 10 kamio tamin’ny volana martsa, 8 kamio tamin’ny volana mey,... Fa iza sy orinasan’iza avy no mitatitra ny solika ? Orinasan’iza avy no mivarotra angovo amin’ny Jirama ? Milaza tsy hamela an’io Rajoelina, ka handefa ny Bianco sy ny maro hafa,… Ezahana hofafana ny delestazy maraina mandra-pahariva ny andro. Ampitomboina ny solika, fa hamafisina ny fanaraha-maso, amin’ny 6 maraina hatramin’ny 6ora hariva dia ezahana hofoanana ny delestazy, hoy ny fanamafisana. Efa nisy an’izay teo aloha hoe : tsy ho tapaka intsony eo anelan’ny amin’ny 5ora maraina hatramin’ny 10 ora alina fa ny teo ihany no teo. Dia ho hita eo indray e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.