Nanaitra ny resadresaka nifanaovan’ny Olivier Vallée,
politologue sy économiste frantsay, tamin’ny Radio France Internationale (RFI) mikasika ny toe-draharaha eto Madagasikara. Izy io izay nanoratra ny boky mitondra ny lohateny hoe : “La société militaire à Madagascar” navoakan’ny Karthala, izay mandinika lalina ny fifandraisan’ny fahefana sy ny hery miaramila eto amin’ny Nosy. Nahatalanjona ny nilazany tao amin’ny RFI ny 01 oktobra teo, fa "samy manana ny milisiny i Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina ». Nametra-panontaniana taminy ny RFI hoe : mitaky ny fanilihana an’i Mamy Ravatomanga izay ao an-damosin’i Andry Rajoelina ihany koa ny mpanao fihetsiketsehana ka ahoana no ahafahan’i Andry Rajoelina maneho ampahibemaso ny fahalavoany ? « Heveriko fa maro ny fomba azo ampiasaina. Mamy Ravatomanga dia [...] manana milisy izay saika mitovy hery amin’ny polisin’Antananarivo. Ireo milisiny dia tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’olona maromaro. Tokony hanameloka izany milisy izany ny filoha, ary koa ilay Akademia momba ny fiarovana izay tantanan’ny Frantsay iray, noforonin’i Mamy Ravatomanga, ahafahany mitazona ireo milisy manokana. Mpamatsy vola amin’ny fampielezan-kevitra izy, sns. Saingy niseho tamin’ny alalan’ny tamin’ny herisetran’ny milisiny nanoloana ireo mpanao fihetsiketsehana, hoy i Olivier Vallée. Tamin’ny taona 2009, rehefa nitondra an’i Rajoelina ho eo amin’ny fahefana ny vahoaka, dia nanao anjara lehibe ho fanohanana azy ny tafika. Inona no mety ho paikadin’ny miaramila amin’izao fotoana izao? Nandray ny filohan’ny Repoblika ny tafika rehefa niverina tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato izy [taorian’ny fiverenany avy any New York], ary nitondra azy tamin’ny angidimby ho any amin’ny lapa naorin’i Didier Ratsiraka ho fiarovana azy, izay eo amin’ny 15 km eo ho eo miala ny renivohitra. Saingy dia izay ihany no nataon’ny tafika. Ary ny filoha dia manana ny milisiny manokana ihany koa. », hoy hatrany i Olivier Vallée. Nambarany fa eny an-kianja mandritra ny fihetsiketsehana kosa, dia ny zandary no tena manao ny asa izay ny Filohan’ny Antenimierandoholona Jeneraly Ravalomanana Richard no tena ao ambadika, raha somary milamindamina kokoa ny polisy sy ny tafika. Nitondra setriny kosa ny Vondrona Sodiat izay misy an’io MSA (Madagascar Security Academy) io ka nilaza fa fandotoana sy fanalam-baraka no nataon’io vahiny io. Ivon-toerana fanofanana ara-teknika sy arak’asa nahazo fahazoan-dalana ara-dalàna avy amin’ny manam-pahefana mahefa ny taona 2024 io, ka « sérutrité et usreté », « sureté aoeroportuaire »,… no nambaran’io Vondrona io fa isan’ny ampiofanina ao,… Tsy nandray anjara tamin’ny « maintien de l’ordre » nandritra ny fihetsiketsehana nandeha,... Saropady ity resaka ity ary mampiady hevitra. Raha ny lalàna dia voarara ny fananganana rafitra sy vondron’olona mitam-piadiana mitovy lanja amin’ny tafika ka asa na toy izay tokoa ity ivon-toerana ana mpandraharaha matanjaka ity na tsia, fa dia vahiny aloha no miteny fa dia misy fananganana milisy eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.