Politique

Rajoelina sy Ravalo Tsy hipetra-potsiny


  • Talata 27 Martsa 2018

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika ankehitriny, ka tsy mipetra-potsiny ireo sokajiana ho mpanao politika goavana. Niditra an-tsehatra nanao serasera i Andry Rajoelina manoloana ny volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana.

 

Anisan’ny mety ho olona lasibatra ihany koa raha mihevitra ny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena, ka miezaka manao serasera sy manomboka miaro tena. Manana olana ara-ketra na toe-javatra mifandraika amin’izany ve ny filohan’ny tetezamita teo aloha ka mikorapaka avy hatrany ? Mananontanona ve ny famoronana dosie maloto isan-karazany ho azy ? Na inona na inona marina sy diso ao anatin’ny tantara, dia toa tonga amin’ny fomba fiteny ny zava-misy hoe rehefa tiana hovonoina ny alika dia lazaina fa romotra. Izay rehetra mety atahorana dia ezahina potehina amin’ny lafiny rehetra, ka toa mikoropaka fatratra sy mitady vahaolana manoloana izany. Tsy mipetra-potsiny fa efa tena sahy mampiseho hery ny filohan’ny tetezamita teo aloha, ary tsy hanaiky lembenana amin’ny kajikajy maloto ara-politika eto. Vao mainka mihorohoro ny fanjakana eo anatrehan’ny zava-misy satria somary hentitra ny tenany nilaza fa tsy azo ekena ny bontolo kotrehina hatao amin’ny fifidianana. Etsy an-daniny, miketrika mangina ihany koa io i Marc Ravalomanana, izay nanova paikady tanteraka. Nisafidy ny hangina ao anatin’ny toe-draharaha politika mafana, ka vao mainka mitombo ihany koa ny ahiahian’ny fanjakana HVM ao anatin’ny toe-draharaha hoe inona no ambadik’izao fahanginana hafahafa izao ? Mora kokoa ho an’ny fanjakana rahateo ny mifehy ny mpanao politika atahorany raha miteny sy maneho hevitra matetika, ary fantatra ny zavatra ataony. Ny hany vahaolana sy kajin’ny fanjakana HVM amin’izao dia migafy an-jambany sy manao izay hamotehana ny mpifanandrina amin’ny fomba rehetra toy ny loharanom-bolany, ny orinasany,… Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana aloha io no lasibatra, fa tsy ho sarotra amin’ny fanjakana HVM ny hamorona dosie hanenjehana an’i Andry Rajoelina, izay tsiahivina hatrany fa ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina no minisitry ny vola tamin’ny tetezamita. Tsy sarotra ho azy ny hanapoaka ny dosie maloto isan-karazany. Raha tsy manao sarimihetsika ny HVM sy i Andry Rajoelina dia mazava ny tombana fa ho mora fehezina ny filohan’ny tetezamita teo aloha, ka havela malalaka aloha.

 

Toky R


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT