Hodidinina mpanao politika ela nihetezana sy mpandraharaha mpanefoefo. Izay no azo ilazana ny toerana misy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ankehitriny.
Tsy dia tena tazana loatra ireo teknisianina tena nofidiany hanatanteraka ireo tetikasa nampanantenainy fony nampiely hevitra. Mbola mampahatsiahy ny tetezamita 2009 ilay fomba fiasa mifototra amin’ny tapimaso sy fisehosehoana amin’ny fitokanana ary fanohizana ny asan’ny teo aloha. Rehefa mijery ny vinana tetibola ilaina amin’ny fanatanterahana ny ampahan’ny IEM rahateo dia sarotra ny hino fa tsy hevi-dravina fotsiny ihany daholo ireo tetikasa voalaza ao anatin’ity boky ity. Ny tetikasa Tanamasoandro fotsiny, ohatra, no vinaniana ilana tetibola hatrany amin’ny 2575 miliara ariary eo. Mbola misy ny Miami, ny Ambatondrazaka hatao Paris, ny EPP hasiana “parking” sy ny hafa tsy voatanisa ka dia ho hita eo tokoa ary ny fanatanterahana azy ireny marina sy ny fipakany any amin’ny sosialim-bahoaka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.