Politique

Rajoelina sy ny miaramila Nihaona mangingina tamin’ny Amerikanina


  • Alakamisy 03 Novambra 2011

Ny filohan’ny FAT, ny Cemgam ary ny Chef de Corps rehetra no nandeha mangingina tany amin’ny solontenan’ny ambasadaoron’i Amerika eto amintsika.

 Nialoha kely ny fanendrena praiminisitra ny hetsika, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fiadidiana FAT rahateo. Na izany aza, tsy nisy nipika aloha hatreo ny mety ho resaka nandeha tao. Ny hany tsikaritra dia nanao fivoriana mangingina maromaro ny manamboninahitra sasantsasany teo anivon’ny tafika talohan’ny fanendrena praiminisitra hatrany. Raha ny fihevitra azy dia misy hifandraisany avokoa ireo rehetra ireo. Mety hoe mitady hihetsika indray ny miaramila izay efa somary tezitra ihany rehefa voalaza fa tsy misy afaka miditra ho kandida praiminisitra ny olon’izy ireo. Eo ihany koa ny ankapitaka nahazo ny praiminisitra teo aloha Camille Vital izay voatery nanala tena tsy ho kandida vokatr’izany kanefa nisy ihany ny miaramila nilatsaka hotendrena tao anatin’ny lalao. Ny Amerikanina raha hiverenana kely dia anisan’ny nitsipaka ny fitondrana ankehitriny sy ny endrika tsy fanarahan-dalàna rehetra nataony. Mampametra-panontaniana, araka izany, ny mety ho votoatin’ity dia manginginan’ny FAT sy ny miaramila ity.

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT