Toa hafahafa ihany ny fandehan’ny tantara amin’ny fananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena.
Nilaza ny praiminisitra Omer Beriziky ny alatsinainy lasa teo fa mety tsy ho vita amin’ny 17 novambra izao ny fananganana ny governemanta. Omaly kosa raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety teny Ambohitsorohitra ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina dia nilaza fa maika ny fananganana ny governemanta, tsy tokony hisy intsony olana be hoy izy, satria ireo vondrona politika vonona ny handray anjara dia efa samy nanatitra ny lisitry ny anarana kandida minisitra avy teny Mahazoarivo. Raha ny fahitako azy, hoy Atoa Andry Nirina Rajoelina dia tsy misy antony tsy tokony tsy hitsanganan’ny governemanta amin’ny 17 novambra. Miandry ny praiminisitra aho ny amin’ny handaminana farany ny kipitsopitsony rehetra ny amin’ny fitsinjarana ara-drariny ny toerana ao anatin’ny governemanta , hoy ny filohan’ny FAT.
Mazava ny resaka eto fa manery an-kolaka an’i Omer Beriziky mba hanangana ny governemanta ato anatin’ny herinandro ny filohan’ny tetezamita fa tsy hiandry izay mbola be kajy any ambadimbadika any. Mibaribary sahady koa eto ny tsy fitovian-kevitra amin’Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo. Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy koa dia tsy maintsy mba miteny sy milaza ny heviny tahaka ireny i Andry Rajoelina satria mitady ho takon’ny praiminisitra notendreny eo amin’ny lafiny serasera sy ny fivoahana amin’ny filazam-baovao. Mbola manaporofo izany rehetra izany fa sarotra ny fananganana ity governemanta ity ary tsy tokony hirotorotoana satria maro be loatra ireo zavatra tsy maintsy halalinina sy dinihana tsara sao hiteraka krizy politika iray vaovao indray. Mila matotra sy mazava tsara ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny filohan’ny FAT sy ny praiminisitra fa tsy mamoaka fanambarana mifanipaka tahaka ireny, izay hampisavorovoro sy tontolo politika sy ny sain’ny vahoaka. Tsy fantatra intsony mantsy ny marina na mialoha na aorian’ny 17 novambra no hijoro ny governemanta ary ny vondrona politika ho hita ao sy ny isan’ny ministera.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.