Rajoelina midradradra indostria

Indostria serasera alefa amin’ny delestazy…


  • Alarobia 30 Jolay 2025

Nilaza indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina nandritra ny fanokafana

ny herinandron’ny Indostria (SADC Industrialisation Week), fa ny famokarana indostrialy sy fanavaozana ny ara-pambolena dia kitro ifaharan’ny fandaharan’asany. Nanamafy izy hoe: “Tsy misy fandrosoana raha tsy misy asa, tsy misy asa raha tsy misy industrialisation.” Noresahana ny ODOF (One District One Factory) izay nilazana fa efa nahavita nanangana 57 fanodinana indostrialy madinika, natao mba hamoronana asa, hanomezana lanja ny vokatra eo an-toerana, ary hampiroborobo ny fanavaozana sy teknolojia amin’ny sehatry ny famokarana,… Mikasika ny fifantohana amin’ny indostria, tsizarizary ny famatsiana herinaratra kanefa mbola any amin’ny 30% amin’ny Malagasy ny misitraka herinaratra. Tsy misy asa raha tsy misy ny « industrialisation » hoy i Andry Rajoelina, saingy tsy misy « industrialisation » izany koa raha tsy misy herinaratra. Resaka ambony latabatra ihany koa no betsaka, tsy tena any amin’ny zavatra mamokatra sy miteraka harena no hanompanan’ny Fitondrana Rajoelina volam-panjakana fa any amin’ny kirendrarendra. Ny teleferika nitrosana 152 tapitrisa Euro, fa tsy misy vokatra ara-toekarena sy ara-tsosialy ho an’ny vahoaka, fa haingo ambony tsikoko, tsy takatry ny mahantra kanefa tsy tian’ny manan-karena. Ny kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara, tsy azo ilalaovana an-taonany maro, hatramin’izao tsy neken’ny CAF. Na dia misy aza ny tetikasa tanteraka lazaina fa hampiakatra ny indostria sy famokarana eo an-toerana amin’ny alalan’ny One District One Factory, dia mbola bitika sy tsy hitan’ny toekarena. Zava-dehibe ny fizarana milina madinidinika toy ireny, saingy mety mbola tsy ireny ilay indostria tena andrasana fa ny lehibe kokoa afaka tena manome asa sy fihariana mivelatra. Manampy trotraka, mbola betsaka ny sedra mikasika ny fandraharaha eto noho ny tondro samihafa, ny tsindry ara-ketra samihafa toy ny « redressement fiscal », ny fahasarotana ara-taratasy, olana amin’ny angovo,… Lojika raha tsy mahasarika vahiny hampiasa vola isika izay any amin’ny laharana faha-161 amin’ny « doing business » na fahavitrihana hampiasa vola, miaraka amin’ny fampiasam-bola vahiny mivantana zara raha 400 hatramin’ny 500 tapitrisa dolara raha efa 1,2 miliara dolara talohan’ny fanonganam-panjakana 2009. Ny eto an-toerana mandalo fotoan-tsarotra mandavan-taona, amin’ny fahasarotana samihafa, ka isan’ny porofo mivaingana io fitrongisana hetra 20% amin’ny zana-bolan’ny banky io.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT