May Ambondrona ! Tsy niafina intsony ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina fa manohana an’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fihodinana faharoa, tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety vahiny ka nivoaka tao amin’ny gazety frantsay «Le Monde» omaly alahady 10 novambra, ary ny filazam-baovaon’ny Radio France International (RFI) no nahafantarana izany.
Ho an’ny filohan’ny tetezamita dia i Hery Rajaonarimampianina no kandidan’ny revolisiona, na kandidan’ny fanovana ka izay no antony hanohanany azy. Raha ny angom-baovao nataon’ny RFI ihany dia milaza ny ho gaga sy talanjona amin’ny fanohanan-dRajoelina azy ny kandidan’ny Hery Vaovao ary niteny mihitsy aza hoe : amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy dia tsy tokony hanohana ahy izy. Sinema ve sa inona ? Fa raha ny mpanara-baovao politika dia efa hatry ny ela no nahafantatra fa i Hery Rajaonarimampianina no tena tohanan’ny filohan’ny tetezamita satria nalefany nanampy ity kandida ity avokoa ireo mpiara-miasa akaiky aminy ao Ambohitsorohitra sy ao amin’ny governemanta. Nilaza rahateo i Andry Rajoelina, raha ny tatitry ny «Le Monde» ihany fa tsy afaka nanohana kandida izy tamin’ny fihodinana voalohany satria maro ireo kandida avy amin’ny ankolafy tarihiny, saingy nanohana ambadika an’i Hery Rajaonarimampianina ary nanome toromarika ireo minisitrany. Mazava izao ny vokatry ny fihodinana voalohany, ka dia hanohana an’i Hery Rajaonarimampianina i Andry Rajoelina amin’ny fihodinana faharoa. Milaza moa izy fa hahazo 55%-n’ny vato manankery ny kandida tohanany, ary ho lany filoham-pirenena. Hanao tsindry sa hampiasa fahefam-panjakana ve izany i Andry Rajoelina hahazoana izany 55% izany ? Ny tantaran’ny fifidianana filoham-pirenena rehetra natao teto Madagasikara mantsy dia manaporofo fa izay nitarika tamin’ny fihodinana voalohany hatrany no voafidy filoha ofisialy. Sa mihevitra ny mbola hanohy ny tetezamita i Andry Rajoelina amin’ity milaza hanohana an’i Hery Rajaonarimampianina ity ? Efa ampy kosa angamba izay efa-taona mahery izay, ary iny voka-pifidianana tamin’ny fihodinana voalohany iny dia milaza mazava fa leo mpanongam-panjakana ny Malagasy.
Fanilihana
Ho an’ny mpampianatra lalàna, ny Profesora Rakotoarisoa Jean Eric dia mety hitarika ny fanilihana an’i Hery Rajaonarimampianina tsy ho kandida intsony ity fanambarana nataon’ny filohan’ny tetezamita ity. Mila manadihady ny CES, hoy ity mpahay lalàna ity hoe nahazo fanampiana tamin’i Andry Rajoelina ve sa tsia ny kandidan’ny Hery Vaovao ? Inona ny endrika mety nisehoan’ilay fanampiana na fanohanana ? Amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy mantsy dia tsy tokony hanohana na hiandany amina kandida iray mihitsy i Andry Rajoelina fa mitana ny toerana amin’ny maha filoha raiamandreny azy fotsiny mandrapahavitan’ny fifidianana ka hanaovany ny famindram-pahefana amin’ilay filoha lanim-bahoaka. Maro no efa nahita fa kandidam-panjakana i Hery Rajaonarimampianina ary nisy ny fampiasana fitaovam-panjakana sy mpiasam-panjakana nandritra ny fampielezan-keviny, indrindra fa ny tany amin’ny faritra. Ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana na CES ihany moa no manana ny fahefana handray ny fitarainana na fitoriana momba ny fifidianana ary hanapa-kevitra ny amin’izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.