Rajoelina haka amboara momba ny « leadership »

Mampitsanga-menatra fa tsy mampirehareha !


  • Alakamisy 20 Febroary 2025

Taorian’ny diany tany Afrika tapa-bolana lasa, tany Dubaï ny herinandro teo, dia ho any Casablanca Maroc

indray ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina amin’ny faran’ny herinandro, raha ny vaovao mivoaka. Handray ny amboara maha mpitondra politika afrikanina mendrika indrindra, araka ny vokatry ny fifaninanana nampanaovin’ny Africa Leadership Magazine any Londres. I Andry Rajoelina izay voalaza fa nibata fandresena tamin’ny isam-bato ambony 65,69%. Filoham-pirenena 3 no nisafidianan’izao tontolo izao tamin’io lohahevitra io, dia ny Filohan’i RD Congo, ny Filohan’i Seychelles, ary ny Filoha Malagasy. Reharehan’ny mpitondra fatratra izany, saingy mampanongo tena kosa ho an’ny Malagasy maro an’isa hoe : i Madagasikara mitana ny laharana faha-140 amin’ny 180 eo amin’ny resaka kolikoly, Firenena isan’ny mahantra fadiranovana indrindra aty Afrika Atsimon’i Saraha araka ny fanasokajian’ny Banky Iraisam-pirenena, Madagasikara lozirin’ny delestazy mandavan-taona, ny Malagasy izay manodidina ny 80% mahantra fadiranovana, harin-karena isam-batan’olona na PIB/habitant 528,65 USD (2023)… no manana mpitarika mendrika indrindra aty afrika. I Seychelles izay nifaninana tamintsika ny filohany dia ny 100% amin’ny vahoaka no misitraka herinaratra tsy tapaka, manodidina ny 95% ny tahan’ny fidirana an-tsekoly, PIB par habitant : 17 879,24 USD (2023) araka ny fanasokajian’ny Banky iraisam-pirenena. Avo 34 heny amin’ny antsika ny azy ny harin-karena isam-batan’olona. Tsy resaka fankahalana mpitondra sy hitanisa ny tsy fahombiazana na koa ny fahalemen’ny Fitondrana fa tena tsy mitombina ny fisian’ny haitarika na « leadership » mahomby eto amin’ny Firenena. Porofo mivaingana hafa iny isika vao avy resy tamin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina iny. Raha tena hitan’ny olona taratra araka iny fifidianana lazaina fa fandresena miezinezina sy voninahitry ny Firenena amin’ny maha mpitarika mendrika aty Afrika iny, dia lany tsy nisy adihevitra ny kandida natolotry ny Malagasy. Efa ny Filoha mendrika indrindra amin’ny haitarika aty Afrika sy handray fitantanana ny Vondrona SADC atsy ho atsy ve no manao propagandy dia zara raha mahazo olona 10 amin’ny Firenena 49 nandray anjara avy nidina hatrany amin’ny 5 ? Tsapa sy tsikaritra ho milalao serasera ivelany mba hananan’ny vahiny fijery miabo momba azy ny mpitondra Malagasy, miketrika voninahitra amboamboarina toy ilay tompondakan’ny indostria sy tompondakan’ny fanjarian-tsakafo,… Marina fa nahazo anaram-boninahitra, saingy mety endrika fandrisihana hiezaka noho ny tsy fahombiazana mihoampampana. Tsy mihinana am-bolony, fa tena manara-baovao eto ny vahiny, fa ny Malagasy no terena hino, terena hanaiky ny tsy fahombiazana, tapenam-bava,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT