Politique

Rajoelina ao Mahajanga Ho gidragidra anio …


  • Zoma 30 Martsa 2018

Ho avy any Mahajanga ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina anio hiatrika ny fitokanana lalana nataon’ny kaominina, araka ny fanasana nataon’ny Ben’ny tanàna Mokhtar Salim Andriantomanga sy ny mpiara-miasa aminy.

 

Tao anatin’ny andro vitsy anefa izay, dia nafana ny fifanolanana momba ny handrarana ny hetsika, izay efa nahazo alalana rehefa re ny hahatongavany any miaraka amin’ny lohandohan’ny mpisorona avy amin’ny TGV/MAPAR. Mpanakanto maro no nalaina hisarihana ny olona ho avy hanotrona. Tsy mihemotra izahay ary ny filoha Andry Rajoelina tsy maintsy tonga, ary tsy maintsy raisin’i Mahajanga satria maro ny olona efa miandry azy, hoy ny ben’ny tanàna Mokhtar Salim Andriantomanga, voafidy tamin’ny anaran’ny MAPAR tamin’ny resaka an-tariby nifanaovana taminy. Nampiakatra ny raharaha any amin’ny tribonaly misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana, mangataka fampiatoana sy fanafoanana ny fandrarana voarakitry ny didim-pitondrana navoakan’ny Prefektiora ny tenany. Anio no tokony hitsara azy io ity rafi-pitsarana ity. Hatramin’izao aloha, dia manan-kery ny fahazoan-dalana nomena anay, hoy hatrany i Mokhtar Salim Andriatomanga. Tamin’ny alalan’ny volany manokana no nahavitan’ny kaominina fotodrafitrasa, ka izay no anton’ny hetsika sy fety hoenti-mitokana azy, ary lanonambe no hatao eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. “Nandeha ny resaka taty aoriana, ary henon’ny prefet, fa anisan’ny nasaina ny biraon’ny TGV/MAPAR, ankoatra ny manampahefana ao an-toerana, ka nanontaniana hoe: iza avy ny olona nasainao ? Rehefa novaliana hoe : tahaka izao ny programa sy ny olona nasaina, ka rehefa nahita izy fa ao anatiny ny biraon’ny TGV/MAPAR, indrindra fa ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina, dia nofoanany ny fahazoan-dalana, ka nambara fa mety hiteraka fanakorontanana ny filaminam-bahoaka”, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Ny fisian’i Andry Rajoelina izany no tena nandrarana ny hetsika, saingy mazava ny tenin’ny ben’ny tanàna fa tsy hihemotra izy ireo, ary tsy maintsy raisina amin’ny fomba makotrokotroka ny filohan’ny tetezamita teo aloha. Efa any an-toerana ihany koa ireo depiote avy amin’ny MAPAR maro, izay nanamafy tamina fahitalavitra tsy miankina iray ao an-toerana omaly hariva, fa tsy hihemotra sy tsy hanaiky lembenana, fa dia hatao ny fihaonana. Hatry ny omaly tolakandro no efa feno fiaran’ny mpitandro filaminana manoloana ny lapan’ny tanàna. Ahiana ny savorovoro ao Mahajanga anio, ary tombanana fa ho avy indray ny fampiasan’ny fanjakana HVM herim-pamoretana, efa fomba fiady mahazatra azy.


Mifanindry amin’ny fanokanana ny biraon’ny CAF (Confédération Africaine de Football) ao Mahajanga, izay handraisana amin’ny fomba makotrotra ny filohan’ny CAF Ahmad, Senatera HVM teo aloha ary zanak’i Mahajanga ny hetsika anio, ka dia andrasana izay ho akony.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT