Politique

Rajoelina any Maraoka “Hafainganina ny fametrahana Masoivoho eto”


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Nigadona tany Casablanca maroc ny talata teo, mandray anjara amin'ny Choiseul Africa Business Forum fihaonana iraisam-pirenena hifampizarana amin'ireo mpitondra fanjakana sy lehibena orinasa ary mpiara-miombon'antoka

maherin'ny 300. Fahiny manokana moa I Andry Rajoelina, araka ny seraseran’ny mpitondra. Omaly, nisy ny fihaonan’ny Filoha mivady tamin'ireo diaspora malagasy monina any Maroc. Ho famaliana ny hetahetan'ireo Diaspora, nambara fa hafainganina ary hapetraka tsy ho ela ny masoivohon'i Madagasikara any Maroc, hanamora ny fikirakirana sy fahazoana ireo taratasim-panjakana toy ny pasipaoro izay ilain'izy ireo any an-toerana. Nohamafisin'ny Filoham-pirenena tamin'ireo mpianatra maniry ny hody eto an-tanindrazana ihany koa ny fandraisan'ny fanjakana an-tanana ny fampodiana azy ireo, izay efa tapaka tamin'ny Filan-kevitry ny Minisitra. Tsy adinon-dRajoelina ny niresaka ny andinindininy amin'ny vinan'ny Fitondram-panjakana izay mandrafitra ny PEM (Plan Emergence Madagascar). Nambara fa efa maro ireo tetikasa no efa an-dalam-panatanterahana eo amin'ny sehatra samihafa toy ny fananganana fotodrafitrasa, ny fanajariana ireo lalam-pirenena, ny fampiroboroboana ny indostria manerana ny Nosy, ny fampitomboana ny famokarana angovo, ny fanamboarana ny lalana migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, ny fanatsarana ny tontolon'ny fandraharahana indrindra eo amin'ny sehatry ny fizahantany. Ilay PEM amin’io vao hampahafantarina amin’ny 28-30 oktobra izao, rehefa tsy nety teraka tao anatin’ny roa taona latsaka. Mbola baraingo ny hoenti-manana fa vao manao pi-maso samihafa any ivelany, kanefa ny diplaomasia Malagasy mitotongana ambony ambany. Rehefa miresaka any ivelany anefa, tahaka ny hoe: manga tsy misy tomika ny lanitra, mandeha araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT