Ilaina ny fisian’ny antoko mpanohitra eto amin’ny firenena hoy Rajerison Véronique, filohan’ny antoko UNRRM hahafahana mampandroso ny firenena. Raha tsy misy mantsy ny mpanohitra hoy izy dia handeha amin’izao fotsiny ny zava-drehetra tsy hisy mpitsikera.
Na izany aza anefa hoy ity filohan’ny UNRRM ity dia tsy mety ihany koa ny manohitra be fahatany fa mandeha araka ny rariny sy ny hitsiny ary tsy fanoherana entina hanonganam-panjakana no hatao. Mikasika ny resabe momba ny hala-bato nitranga tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo indray dia nomarihiny fa tsy tao amin’ny Boriborintany fahadimy toerana nilatsahany ihany no nisy izany fa eran’i Madagasikara mihitsy. Tokony hisy hoy izy ny fijerena akaiky ny mahakasika ireny ialana amin’ny disadisa mety hitranga eto amin’ny firenena. Tsiahivina moa fa tonga nanotrona ny kongresin’ny TIM teny amin’ny magro Tanjombato ity filohan’ny UNRRM ity tamin’ny Sabotsy teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.