Mba ho fanatonany ny vahoaka ao anatin’ny Boriborintany faha-5 dia nanatanteraka fitsidihana ifotony ny faritra Ambohidahy Ankadindramamy ny kandida depiote Rajerison Nicole Véronique laharana faha-17.
Nandritra azy ireo nitsidika iny anefa no nangatahan’ireo vahoaka ny mba hanadiovana ilay tatatra nolalovana koa avy hatrany dia nirotsaka nandray andraikitra niara-nanadio tamin’ireo mpiara-dia taminy ny kandida sy ny ekipany. Antony iray nirotsahan-dRajerison Nicole Véronique ny fahitany ny fahasahiranan’ny vahoaka sy ny fiheverany fa mila mitondra ny anjara birikiny izy ho marik’io fandraisana andraikitra io. Kandida vehivavy vonona handray ny andraikitra eto amin’ny firenena izy ary vonona hitondra izay mba anjara birikiny ho fampandrosoana ny faritra niaviany dia ny Boriborintany faha-5.
NR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.