Rajemison Rakotomaharo

> Niarahaba azy mirahalahy hiatrika ny fihodinana faharoa


  • Alarobia 13 Novambra 2013

Taorian’ny famoahan’ny CENI-T ny valin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika fahefatra eto amin’ny Firenentsika dia nanao fanambarana ny Filohan’ny Antoko MAMAFISOA, Atoa Rajemison Rakotomaharo izay nankasitraka ny vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka tamin’ny fanehoana ny fahendrena nandritry ny fotoam-pifidianana, ka nanefa ny adidy amin’ny maha-olompirenena ary naneho izany adidy masina izany tao anatin’ny filaminana sy ny Fihavanana.

Nambarany ihany koa fa ny safidy izay nataon’ny tsirairay, no mari-pamantarana fa tiany ny Fireneny ary mitsinjo ny hoavin’ny taranaka ao aoriana izy. Na izany aza anefa, hoy izy tao anatin’ny fanambarany, dia maneho ny alahelonay izahay ho an’ireo Malagasy Havana tsy afaka naneho ny zony hifidy, ary manantena fa hisy ny fepetra horaisin’ireo Tompon’andraikitra haingana mba hahazoan’ireo tsy afaka nifidy ireo handray anjara feno sy an-kahalalahana amin’ny fihodinana faharoa. Naneho ny fisaorana ny CENI-T ihany koa Atoa Rajemison Rakotomaharo tamin’ny fanajana ny fe-potoana izay nomeny ny mpifidy nanambarany ny voka-pifidianana fihodinana voalohany.

Ankoatra izay dia nanolotra ny fiarahabana ho azy mirahalahy izay hiatrika ny fihodinana faharoa izy ka ho todisoa hatramin’ny farany izay ho lany ho Filohan’ity Firenena ity. Izany dia nataony amin’ny anaran’ny Antoko MAMAFISOA izay tarihiny sy amin’ny anaran’ny tenany manokana.

Nohamafisiny ary fa zavatra iray ihany no andrasan’ny Vahoaka Malagasy amin’izay ho lany eo dia ny fanatanterahana ilay tononkiram-bavaka ao anatin’ny Hiram-pirenentsika manao hoe : “Hiadana sy ho finaritra, E ! sambatra tokoa izahay”


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT