Politique

Rajaonarison Jean Edmée «Mahatsiaro ny fandrosoana nentin’i Dada Analanjirofo»


  • Talata 18 Oktobra 2011

Nitondra ny fomba fijeriny ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny Atoa Rajaonarison Jean Edmée, mpampianatra no sady mpitarika ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) ao Fenoarivo Atsinanana.

 Nanamafy ny tenany fa velona ary miaina ny TIM ao Fenoarivo Atsinanana. Mbola maro ny tena zanak’i Dada na izany aza efa misy koa ireo nifindra lasy any amin’ny TIM Raharinaivo, izay nambaran’izy ireo fa “piraty”. Mahatsapa koa ity mpanao politika ity fa manjaka ny fitiavan-tena sy fitiavam-bolan’ireo mpanao politika eo anivon’ny FAT. Lasa takalon’aina ny vahoaka Malagasy. Notsiahiviny fa fanonganam-panjakana no nisy teto Madagasikara ka niteraka izao fahantram-bahoaka izao.

Tsy hiverina ny famatsiam-bola vahiny raha tsy mbola tonga eto Madagasikara ny Filoha Ravalomanana. Ny fiaraha-mitantana tena izy no vahaolana mahomby hamerina indray ny fiainam-pirenena amin’ny laoniny. Nanamafy koa ingahy Edmée fa miomana andro aman’alina hitsena ny Filoha Ravalomanana. Mitodika amin’ireo mpitarika ny antoko TIM orizinaly foibe koa ny tenany fa rehefa misy fanendrena tiana hatao amin’ny olona hitazona andraikitra dia tokony hisy fakan-kevitra ifotony any amin’ny Faritra mba hialana amin’ny disadisa lava.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT