Tsy takona hafenina intsony, fa ambany dia ambany ny taham-pankafizan’ny vahoaka ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina.
Tsy natao hankahalana be fahatany fa na ny fianakaviany sasany aza mety efa misy mitsanga-menatra eo anatrehan’ny tsy fahombiazan’ny filoha ankehitriny izay mety hosokajiana ho manala baraka ny anaran’ny fianakaviana, mainka fa ny vahoaka efa tofoky ny fahantrana, ny kolikoly… Efa naman’ny vita tanteraka aloha ny aminy raha ny resaka politika. Tsy misy fanohanana miainga amin’ny foto-kevitra sy ny faharesen-dahatra intsony raha ny HVM sy Hery Rajaonarimampianina no asian-teny. Mandeha ny fandraviravizana vola sy fianteherahana amin’ny tafika, ka mety hiafara amin’ny fampiasan-kery atsy ho atsy, raha izao no mitohy. Efa tondro maneho ny maha kely hery ara-politika sy tsy fisian’ny fahatokisan-tenany intsony izao, ka mihevitra ny hiantehatra fotsiny amin’ny herin’ny vola sy tafika. Miezaka mafy mamoritra sy mifehy ireo mpifandrina satria tsy manan-tsafidy intsony. Tsy maintsy hiteraka tsy filaminana sy korontana eto amin’ny firenena anefa izany, raha minia miziriziry eo ny filoha ankehitriny fa tsy manaja tena. Any aminy ny baolina hampilamina na hampikorontana ny firenena, ka ny tantara no hitsara fa raha ny lojika politika aloha, dia efa vita tanteraka ny aminy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.