Nahita ny tsy fahita ny filoha tany Toamasina tamin’ny alahady 22 aprily satria nitondran’ny olona sorabaventy, ka voatery nandeha angidim-by mihitsy.
Mitombo ny tsy fankasitrahana, indrindra fa ho an’ny tanàn-dehibe. Manaporofo izany ny fahazoan’ny hetsiky ny depiote olona maro hatrany. Eto Antananarivo aloha, dia azo antoka fa mety tsy sahy hamory vahoaka izy ato ho ato. Hany hery dia ny misintaka sy miantso vonjy any amin’ny faritra ambanivohitra, ary ampisaina izay fomba rehetra hahazoana vahoaka. Tany Faratsiho omaly, dia hatramin’ny mpianatra madinika avy no nampitondraina soratra hoe: “Faratsiho manohana an-dRajao”. Nisy moa ny fitokanana ny fanombohan’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-43 mampifandray an’i Faratsiho sy Sambaina mirefy 50km, mitentina 23 tapitrisa dolara, vatsian’ny ny banky arabo sy ny tahiry Saodianina momba ny fampandrosoana vola. Somary niakatra indray ny feo satria vory vahoaka. Mbola ato isika, mbola miasa isika. Ianareo no nametraka ny fahefana amin’ny filoham-pirenena. Ianareo no nanao fanamby tamin’ny filoha. Ny filoha no nantsoinareo hiady amin’ny fahantrana, ary izany no ady lehibe ataontsika, ka izy no mitarika ny tafika, ary tsy miala an-daharana amin’izany, tsy mitsoaka amin’ny tanin’ady fa miaraka aminareo, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Tsy vita ao anatin’ny iray andro ny fampandrosoana, ary betsaka ny manontany ny efa vita. Efa maro ny zavatra vitantsika, hoy izy. Tsy maintsy miady hevitra amin’ny mpamatsy vola satria tsy ampy ny eo am-pelatanana, ary an-taonany izany. Soa fa atokisany ny filoha, atokisany ny fahendren’ny vahoaka Malagasy, ka dia vonona izy ireo hanampy, hoy hatrany ny filoha. Zara raha mahazo famatsiam-bola anefa satria fanjakana malaza amin’ny kolikoly, ka rehefa sendra mba mahita rirany kely, dia miedinedina fatratra. Mikasika ny politika, dia ny filoha, hoy izy, dia efa nametraka ho vaindohan-draharaha foana ny fihavanana sy ny fifandinihana ary ny fifanomezan-tanana sy ny fifampiresahana hampandrosoana ny firenena. Iza no mpihantsy ady sy mpisotasota eto ? Tsy ny HVM ve ? Ny vahoaka no andriamanjaka sy manapaka ny aminay mpitondra, ka amin’ny alalan’ny fifidianana ihany. Arovantsika izany ary amin’izany no hitsaranareo anay mpitondra fa tsy eny an-dalambe, ka miantso anao ho mailo, hoy izy. Raha tena sahy amin’ny fifidianana dia atao mazava ny fitsipi-dalao, ary havela hirotsaka ny rehetra fa tsy manao adin’ny kanosa e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.