Politique

Rajaonarimampianina Hody an-tanindrazana amin’ny febroary ?


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Vao migadona ity taona 2023 ity dia isan’ny tonga ao an-tsaina raha miresaka ny tontolon’ny politika ny fifidianana. Na mbola manjavozavo aza ny pitsopitsony samihafa, ary mbola mandeha ny adivarotra politika amin’ny endriny

maro: fikaonandoham-pirenena, fanadiovana ny kianja hiatrehana fifidianana, fanamboarana ny lalàna,… dia efa miketriketrika ireo antoko sy vovonana politika samihafa. Ho an’ny Antoko HVM, iny efa nodisoin’izy ireo iny ny fivoizana fa tsy hirotsaka hofidiana ho kandida Atoa Hery Rajaonarimampianiana na mbola tsy nisy ihany koa aza ny fanambarana ofisialy fa ho kandida ity farany. Nisy karazana hetsika famelabelarana natao teto Antananarivo ny 03 septambra, narahin’ny fifampiresahana taminy sy ny fangatahana azy hirotsaka ny 05 novambra tany Frantsa, ary tsy mbola nandà izany ny tenany, raha ny efa nambaran’ireo lohandohan’ny mpisorona ao anatin’io antoko io. Raha ny re izay tsy mbola ofisialy, ny volana febroary izao no mety higadona an-tanindrazana Atoa Hery Rajaonarimampianina, ary mety hanao fitetezam-paritra. Tsara ny manamarika, fa niala an’I Madagasikara ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina mivady taorian’ny tsy fahalaniany tamin’ny fifidianana 2018. Tsy sesin-tany politika araka ny voizina ity Filoha teo aloha ity, fa noho ny asany any ivelany, amin’ny maha mpampianatra azy amin’ny oniversite maro maneran-tany no voalaza fa antony tsy hiverenany firy an-tanindrazana. Izy hatreto no nangatahin’ny HVM ho kandida ka raha ny lalàna dia mila mipetraka 6 volana eto amin’ny firenena vao afaka mirotsaka hofidiana. Io noho izany no heverina fa isan’ny mety hodian’Atoa Hery Rajaonarimampianina raha ho kandida tokoa, saingy andrasana izay hiseho satria politika no resaka eto. Raha ny lojika kokoa, izy sy ny vadiny Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina no miara-mody eto. Fanontaniana mipetraka kosa ny mikasika ny vadin’ny Filoha teo aloha ity hoe: hisafidy ny hiverina eto tokoa ve izy? Ny tenany izay tratry ny fanenjehana maro fony teo amin’ny fitondrana izy ireo. Isan’ny vadina filoham-pirenena nanaovana tsikera mivaivay, eny fa hatramin’ny akanjo fitafiana aza natao resabe, voatonontonona ho niditra lalina tamin’ny raharaham-panjakana sy ny maro hafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT