Raikitra ny propagandy

Hangotraka ny fifidianana eto Antananarivo !


  • Talata 19 Novambra 2024

Misokatra amin’ny fomba ofisialy anio 19 novambra 2024 ny fampielezan-kevitra

ho an’ny fifidianana ben’ny tanàna hatao ny 11 desambra manerana ireo kaominina 1695 manerana an’i Madagasikara. Fifidianana isan’ny manakaiky vahoaka indrindra, ary miainga avy any no tena ivon’ny fampandrosoana raha tena misy sy tanterahana tokoa ny fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola. Isan’ny stratejika indrindra ny fifidianana eto amin’ny Renivohitr’i Madagasikara izay misy kandida miisa 6 mifaninana ao anatin’izany. Samy manana ny hanitra ho azy, ary mpifaninana fa tsy mpifahavalo izy ireo,… saingy niaraha-nahita sy naheno tao anatin’izay fotoanan’ny « précampagne » izay ihany ny somary fiakaran’ny maripana politika. Tsapa sy tsikaritra ny fanenjehana kandida, toy ny filazana fa mpamadika, ny fanasoketana, ny fandotoana maro samihafa,… Nisy ihany koa ny fihantsiana politika samihafa toy ny fisiana kandida nilaza fa kandidam-panjakana, mafy be, tompon’ny tanàna,… Niaraha-naheno ihany koa anefa ny antso avo samihafa ary hita izany tamin’ny fanambaran’ireo Raiamandreny samihafa na ara-politika na ara-pinoana mikasikasika ny tokony hanajanonana ny fifanenjehana satria tsy mpifahavalo fa mpifaninana. Asa hanao ahoana ny endrika isehoan’izay ao anatin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ? Saika efa hitahita avokoa ny fomba nentin’ny kandida tsirairay nampahafantatra ny tenany, ny fomba fisehony, ny fomba entiny mandresy lahatra vahoaka,… fa ny azo antoka aloha dia tena hangotraka ny fifidianana eto Antananarivo amin’itybindray mitoraka ity !
MILA FANOVANA ANTANANARIVO
Kandida isan’ny nitondra fomba fijery vaovao sy fitondrana fanovana amin’ny fanaovana politika ny kandida laharana faha-2 Tahina Razafinjoelina, izay nanamafy hatrany tamin’ireo fihetsika sy fiteny nataony, fa ny asa no handaniany ny fotoana, ary ny fahantrana sy ny adilahy politika no fahavalony. Nasehony izany nandritra ny « précampagne » izany, ary tena niomana sy vonona hitondra rivo-baovao ho an’Antananarivo izy. Manamafy fa tsy hampanantena poakaty ny vahoaka na hanao sinema, fa kosa hanao zavatra azo tanterahana saingy misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka eto Antananarivo, indrindra fa amin’ny maha olombelona. Fanambiny ny hametraka fitantanana mangaraharaha amin’ny alalan’ny « Antananarivo nomerika », ny fanatsarana ny fanabezana,… Mila mahatsapa ny tamberin’andraikitra ny vahoaka. Hamoraina ny taratasim-panjakana : kopia, fahazoan-dalana hanorina,… satria isan’ny mahatonga ny kolikoly be loatra ,... « Tsy maintsy miainga amin’ny vola, fahaizana mitatam-bola,… Ampanetren-tena, fa porofon’ny zavatra resahako ny zavatra ataoko, ary misehatra amin’ny fanabeazana eto sy aty Afrika. Ny kinga amin’ny politika dia kinga amin’ny fampandrosoana fa tsy amin’ny hafetsena. Tsy mila manao ratsy aho vao tonga amin’ny zavatra tsara», hoy i Tahina Razafinjoelina ny 4 oktobra. Manamafy ny Tsotra, Marina, Mahomby izay, ka hanentanan’i Tahina Razafinjoelina sy ny Antoko Tia Tanindrazana ny vahoakan’Antananarivo tsy ho kivy fa ho avy mavitrika hifidy satria eo am-pentanan’ny rehetra ny fanovana, indrindra fa ireo 72% eo izay tsy narisika hatramin’izay.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT