Politique

Raiamandreny Mijoro Te hanilika ireo filoha teo aloha amin’ny politika


  • Zoma 11 Novambra 2011

Anisan’ireo fiarahamonim-pirenena voatendry hanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra ny Raiamandreny Mijoro.

Milaza ny fahavononany hisahana izany andraikitra izany ireo mpikambana saingy miandry kosa ny toromarika ofisialy avy amin’ny Troika sy ny fitondram-panjakana. Hentitra rahateo ity vondrona fiarahamonim-pirenena ity raha nanome toromarika ny amin’ny fanatanterahana izay voasoratra ao anatin’ny tondrozotra. «Misy soratra sy fanahy ao anatin’io tondrozotra io ka ireny no tokony harahina. Io aza efa sarotra ny manatanteraka azy koa mbola hampiana zavatra hafa indray ve ? Azo atao tsara ny maneho hevitra amin’ny tondrozotra kanefa tsy mety kosa ny manao fanakanana amin’ny dingana efa mandeha», hoy ny pastera Ramino Paul momba ny fitakian’ny Amiraly Ratsiraka ny fanatontosana fihaonana antampon’ireo filoha telo teo aloha sy ny filohan’ny FAT eto Antananarivo.

Miantso ireto filoha lanim-bahoaka ireto hisintaka amin’ny tontolon’ny politika koa ny Raiamandreny Mijoro na dia tsy nilaza izany mivantana aza «tokony hampiseho izy ireo fa manana ny naha izy azy teto amin’ny tany sy ny fanjakana. Manome azy ireo ny toeran’ny filoham-panjakana teo aloha rahateo ny tondrozotra ao amin’ny andininy faha-19 raha mitsahatra amin’ny asa politika miandany izy ireo», araka ny fanambarana novakian’ny mpitondra teny. Nokianin’ny Raiamandreny Mijoro koa ny fomba ratsin’ny mpanao politika sasany tsy mikendry afa-tsy ny tombontsoany. Efa mandeha, hoy izy ny fampiasana vola hitadiavan-tseza amin’ny fananganana ireo rafitra isan-tsokajiny.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT