Tsy maintsy tohizana ary tsy maintsy faranana ny tolom-panafahana 1947,
ary tsy maintsy haverina amin’ny maha Malagasy azy i Madagasikara. Ny andraikitry ny Raiamandreny dia ny fandaminana atao amin’izany. Efa nifampitsitsika ihany koa ireo rehetra tonga nivory teny Mandriambero fa tsy hisy hamadika tanindrazana », hoy ny Antenimieran’ny Raiamandreny ara-drazana sy ny Foko eto Madagasikara na ny ARFM, tamin’ny alalan’Atoa Rakotondrasoa Noel. Nanambara ny hiroso amin’ny fananganana tetezamita hirosoana amin’ny fametrahana izay Fanjakana tena Malagasy izay izy ireo. Nohamafisin’ny ARFM fa efa tokony hifanarana amin’izay ny herin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4, fa Fanjakana Malagasy no tokony hapetraka. « Efa samia mivonona isika mieritreritra fa tsy maintsy hatsangana ny tetezamita hitantana ny Fanjakana mahaleotenan’i Madagasikara, izay Fanjakana voalohany apetraky ny Malagasy », hoy Atoa Rakotondrasoa Noel. Momba ny fihaninana teny Mahamasina ny sabotsy teo, dia nambarany fa tsy mifanaraka amin’ny hasin-tany satria tsy mety ny hitondran’ny vazaha an’i Madagasikara, izay tafiditra amin’ny lalan-tsain’ny taona 1947 dia miala ny mpanjanaka, ary ny Malagasy no mitondra an’i Madagasikara. Naneho izy ireo fa ny vahoaka maro an’isa no tsy mankasitraka ny zava-miseho ankehitriny, fa noho ny fahantrana sy tsy fananana no nahatonga ny olona mba tonga teny Mahamasina ary nisy ny novidiam-bola, ka tsy omen-tsiny satria mba mikatsaka tombotsoa. Tsy hisakana ny zavatra mandeha aloha ny ARFM, fa mila miomana amin’ny famaranana ny tolona hanafahana ny tanindrazana. Niantso ny rehetra mbola misalasala hieritreritra fa an’ny Malagasy i Madagasikara. Tsy resaka olana aman’olona, fa ny rafi-panjanahana mihitsy no mila ravana. Tsy fahalainana ny Frantsay na vahiny ny filazana fa mody kely aloha ny diplaomasia vahiny, fa rehefa milamina ny tanindrazana dia hoheverina ny fomba fiaraha-miasa. Tsy tokony hiverina eto ny Frantsay raha tsy miverina amin’ny Malagasy ireo Nosy. Samia miomana amin’ny fananganana ny tetezamita handamina ny fananganana Fanjakana tena Malagasy, hoy hatrany ny toromarika.
TSY MIHEMOTRA AMIN’NY FANDRAHONANA
Hisy dingana roa, dia ny fampahafantarana natao ny sabotsy teo, fa ny faharoa dia hisy ny fampihaonana amin’ny toerana iray, ary ao amin’izay no hijerena ny pitsopitsony, arahin’ny fananganana ny tetezamita hoe : iza avy no handrafitra ilay rafitra izay hiainga hatrany amin’ny fokontany. Nohazavain’ny ARFM fa efa mitsangana ny «cellule de conception » mamolavola ny paikady rehetra, ka niantso ny isam-paritra hiomana izy ireo. Efa misy ny fandrahonana, antso mivantana, naheno fa hosamborina,… Tsotra ilay izy hoe : ny Raiamandreny, dia Raiamandreny tsy mitanila fa mipetraka ho arofanin’ny fiandrianam-pirenena sy izay mety hitera-doza ho an’ny firenena sy ny vahoaka. Rehefa misy zavatra tsy mety intsony, ka raha nijoro ireo Raiamandreny 1947 ka raha holazaina fa nanongam-panjakana ireny, dia mitovy amin’izany ihany koa izany izahay, hoy Atoa Rakotondrasoa Noel, naneho fa tsy mieritreritra handositra na hiala eto Antananarivo.
Toky R
Mpandamina sy mpandrindra ny Raiamandreny ara-drazana sy ny Antenimieran’ny foko eto Madagasikara. Raha mijoro dia mijoro ho mpandamina sy mpandrindra fa tsy sanatrian’ny vava ho mpampisara-bazana ny Malagasy, kanefa misy ny teny tsy maintsy resahana, tsy azo hamoramoraina fotsiny ny raharaha momba ny tanindrazana, tsy maintsy hatao izay hiverenan’ny tany amin’ny tompony dia ny Malagasy. Efa nisy ny fihaonana natao,
Mety nisy ny teny mahery natao, kanefa amin’ny maha saropady ny tanindrazana dia tsy maintsy misy ireny, koa anaovana azafady amin’ny rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.