RAIAMANDRENY ARA-DRAZANA AO FARAFANGANA

Miantso ny CENI mba tsy hamadika ny voka-pifidianana


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Miantso ny voamiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI ao Fianarantsoa tsy

hamadika ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana Ben’ny tanana ny 11 Desambra lasa teo ireo raiamandreny ara-drazana any amin’ny distrikan’i Farafangana. Ny ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Farafangana no tena nosinganin’izy ireo manokana ho fanajana ny safidim-bahoaka. Hentitra tanteraka moa ireto raiamandreny ara-drazana ireto raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro teo. Tsiahivina fa miparitaka any an-toerana ireo karazana feno mikasika ny vokatra tamin’ny fifidianana Ben’ny tanana farany teo, antony nanosika azy ireo hanao fanambarana tahaka izao. Rahampitso Alatsinainy 23 Desambra no fantatra fa hivoaka ny voka-pifidianana mbola tsy ofisialy any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa. Ho fanajana ny safidim-bahoaka no tanjon’izy ireo.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo raiamandreny ara-drazana ao Farafangana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT