Politique

Raharinaivo Andrianatoandro Mahantra ny firenena, ratsy endrika ny fitondrana


  • Alarobia 11 Novambra 2015

Mandalo fotoan-tsarotra tanteraka ny firenena Malagasy, hoy ny mpanao politika Raharinaivo Andrianatoandro

. Mihamahantra ny mpiray tanindrazana nefa tsy afa-manoatra amin’ny zava-misy ihany koa ny fitondrana Rajaonarimampianina. Mijanona ho sora-bola hatreto ilay 70%-n’ny famatsiam-bola avy any ivelany satria tsy mbola hitan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola ny fisian’ny lamina ara-politika eto Madagasikara. Mitranga ihany koa anefa ankehitriny ireo antontan-taratasy mafampana toy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka miaraka amin’ny fitakiana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara. Toe-draharaha izay tena mamparefo ny fitondram-panjakana Malagasy mijoro. Fihantsiana miaro fandrika avy amin’ny fitondrana frantsay rahateo iny fanambarana nataon’ny masoivohony tao amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra iny, araka ny fijerin’ity mpikambana ao amin’ny Vmsa ity. Mahita ihany koa ny tenany fa tsy hamaha olana velively ho an’ny fitondrana mahefa ny fanatanterahana ny fifidianana senatorialy mialoha ny faran’ny taona 2015. Tompon’ny teny farany hatrany mantsy ny Antenimieram-pirenena rehefa tsy mitovy ny hevitra eo amin’ireo rafitra roa mpanao lalàna ireo.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT