Politique

Raharinaivo Andrianatoandro Aleo ataonay rehefa tsy hanao i Marc Ravalomanana


  • Talata 08 Novambra 2011

Efa mihena ny tanjaky ny ankolafy Ravalomanana, hoy Atoa Raharinaivo Andrianatoandro filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady ambaran’ny mpiara-dia aminy ombieny ombieny fa tompony ara-panjakana ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Ny TIM mantsy no maro an’isa tao nefa efa niala taminy avokoa ny ankamaroany.

Izahay matoky, hoy izy, fa ity rafitra na“processus” arahina ankehitriny ity no ahatafavoaka antsika amin’izao krizy lavareny izao satria efa eken’ny vondrona iraisam-pirenena ny praiminisitra Jean Omer Beriziky. Ka ireo mpanao politika manohana ity “processus” ity amin-dry zareo TIM elatra Raharinaivo dia tokony handefitra daholo satria tsy tokony hitarina intsony ny amin’ny krizy fa efa tandidomin-doza ny firenena ka atahorana ny fipoahana ara-tsosialy raha mbola mitohy izany. Rehefa tsy hanao i Marc Ravalomanana, hoy Raharinaivo Andrianatoandro dia “aleo izahay no hisolo azy ao amin’ny fanatanterahana ny fampiharana ny sori-dalana”. Ka tsy efa nanao izany tokoa moa ve ity elatra ity fa inona no tafavoaka teo ? Aiza izay fankatoavana nomen’ny iraisam-pirenena teo ? Toa ny fiaraha-misaosy no betsaka ary io mbola tadiavina hotohizana io fa tsy mety voky, hoy ny mpitazana.

Manohy

SARY : Raharinaivo Andrianatoandro (Sary Rakotobe Michel)
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT