aamin’ny taona 2013, taorian’ny fandresen’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena,
dia nisy fifampiresahana manokana teo amin’i Patrick Raharimanana sy ny filohan’ny tetezamita tamin’izany fotoana izany, Andry Rajoelina. Araka ny fitantaran’i Patrick, niantso azy manokana Andry Rajoelina ary nangataka fanampiana aminy tamin’ny fananganana vina ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Efa ananany, hoy izy, ny vola sy ny fahefana, saingy tsy ampy ny vina ara-politika sy ara-toekarena. Nohamafisin’i Patrick Raharimanana fa izy no te hilatsaka ho filoham-pirenena satria efa nanana drafitra sy tetikasa vonona. Saingy notohanana indray ny hevitry ny mpitondra teo aloha hanohy amin’ny taom-piasana faharoa, ary i Patrick kosa asaina miomana ho amin’ny 2028. Niaraka fa avy eo nisara-dalana ! Nisy fikasana hanohy hiara-kiasa ihany, ka nisy fifanarahana an-tsoratra nosoniavina, narahina antontan-taratasy 800 pejy navoakan’i Patrick, mirakitra ny tetikasa lehibe “FANORONA”. Nilaza i Patrick fa nosoloina endrika hafa io tetikasa io taty aoriana, ary navadika ho "IEM" (Initiative pour l’Émergence de Madagascar), izay natomboka tany Paris niaraka tamin'ny « consultant en communication », ary naka ekipa hafa i Andry Rajoelina. Tsy naneho olana tamin’izany i Patrick, raha toa ka ho an’ny soa iombonana. “Tsy nitaraina aho, fa ny tanjona dia ny fampandrosoana an’i Madagasikara,” hoy izy. Na izany aza, taty aoriana, niverina nanatona azy indray ny i Andry Rajoelina Rajoelina, naka hevitra, nangataka toro-marika.
FANDIKANA LALAMPANORENANA, AFERA MALOTO, 2028,…
Nanamafy i Patrick Raharimanana fa nanome hevitra amim-pahitsiana, ary nilaza hatrany ny tsy mety na dia tsy nampifaly aza. Fa tsy ela dia nitsahatra ny fiaraha-miasa. « Niteny anao hatrany aho, ajanony io adinao sy Ravalomanana tsy mety vita io, fa ianao moa tafiditra lalina anatin'ny zavatra amporisihan'ny manodidina anao. Nifamaly nandritra ny adin’ny telo an-telefaonina isika mikasika ny anajanao ny Lalampanorenana, resaka trafika volamena ataon'olona izay notanisaiko anao avokoa, resaka mpandraharaha manodidina anao. Iza ary aiza no anaovana ny trafika. Nanao fanambarana mihitsy ianao namoaka lisitra indray alina Covid ireny. Fa tsy navoakanao ireo mpisera ao an-dapa, hatramin'ireny volamena 73kg ny andron'ny faran'ny taona ireny. Nomeko anao hatramin'ny audio tour de contrôle, immatriculation avion, trajet, destination », hoy i Patrick Raharimanana. Nilaza ho notazonina tamim-pahadisoana izy, ary nisy baiko handefasana azy tany Tsiafahy. Nolazaina ho nanao « piratage informatique », nefa tetika mba hanakanana ny marina amin'ny raharaha fanapariahana « agenda présidentiel » sy raharaha volamena, hoy izy. Taorian’izay dia nanao ezaka ara-politika i Patrick Raharimanana, nirotsaka ho kandida ben’ny tanàna tany Mahajanga, saingy nambarany fa nisy tsindry ara-politika sy ara-pitaovana avy amin’ny olona manodidina ny fitondrana, fa tsy nampihemotra azy izany. « 2028 isika mahita azy, fa efa niteny hatrany aho, eo no mikatona tanteraka ny varavaram-by anao, na alohan'izay. Efa nambarako ny lalana ivoahanao alohan'izay, raha mbola manam-pahendrena kely ianao. Raha mikasa hanao amboletra hamaky barazy, 20 taona nitondrana ianao, dia miandry anao eo aho », hoy i Patrick Raharimanana. Andrasana izay mety ho setriny avy amin’ny Fitondrana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.