Raharaham-pirenena

«Voaviraviran’ny ady seza ny tombotsoam-pirenena»


  • Talata 30 Aprily 2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

fahendrena sy fomba ara-drazana, Josephin Andriandrainarivo. Samy manana ny zoro na «angle» hijereny izany ny tsirairay, hoy izy. Ny zava-misy ankehitriny dia mbola mifototra any amin’ny hoe iza no hitondra, iza no tsy mendrika ny hitondra? Iza no tokony hanam-pahefana, iza no tsy tokony hanam-pahefana? Mbola resaka olona na antoko na vondrona no tsikaritra. Mbola misarika ny sain’ny be sy ny maro aho ary miala tsiny amin’ireo zoky raiamandreny ara-taona, ara-pahaizana, be diplaoma be, galona be, voninahitra be, fa raha mbola mizarazara ity Madagasikarantsika ity, voaviraviran’ny ady ara-tseza, ara-pahefana, izay famoronan-karena no ao ambadika ao, famoronana fahefana, dia mbola tsy hitondra ilay tombontsoa tena ho an’ny firenena sy ny vahoaka tsy mandady harona, indrindra, ireo maro an’isa any ambanivohitra ny adihevitra mikasika izany. Raha te hitondra ny ilaina amin’ity tany ity dia misarika ny saina aho hoe midina aloha any ambanivohitra! Mba mipetraha amin’ilay toeran’ny any fa na iza na iza eto dia lasa ohatran’ny hoe fitaovana daholo ilay olombelona manana ny zony sy hasiny. Ny eto an-drenivohitra eto foana no lasa mitabataba hoe izao na izao io. Ny vokany anefa, raha ny hita hatramin’izao, dia ny manolo olona no maha maika. Samia milatsaka any ifotony ny mpitarika rehetra ary henoy ny hevitr’ireo olombelona ireo. Any isika vao miresaka ny hoe inona marina ny rafitra tokony hitondrana ity firenena ity vao hoe iza no tokony hitondra? Hifanaraka amin’io rindran-damina voapetraka io amin’izay ny fitarihany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT