izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph
Raha araka ny fanehoan - kevitra nataon ' ireo mpomba an - dRajoelina izay re eny anivon ' ireo haino aman - jery sasantsasany, dia milaza izy ireo fa nanao amboletra ny fahefana teo an - tanan - dRajoelina ity fitondrana izay tarihan 'ny Kolonely Randrianirina Michaël ity, fa tsy mba navela hanapitra ny fe-potoana niasany ny filoha Rajoelina izay nahavita fotodrafitrasa marobe. Amiko manokana hoy Pr Joseph mpandinika raharaham-pirenena sady mpanompon'Andriamanitra dia hevi - diso izany, satria tsy nisy fanonganana an-dRajoelina teto, fa izy aza no tena nanao an –keriny ny fahefana teo am-pelatanan ' ny filoha Marc Ravalomanana tamin ' ny taona 2009 mba nahafahany nandroba ny harem - pirenena sy ilay volabe 3000 Miliara mahery izay nambaran 'ny mpitsara eo anivon 'ny Cour des Comptes .Lasa nanao tari - dositra nitsoaka any Dubaï iny rehefa azony izay nilainy. Noho izany dia tokony mandinika tsara hianareo forongon - dRajoelina vao miteny, satria ny filoha Marc Ravalomanana dia anisan 'ny nahavita be teto amin 'ny firenena, kanefa tsy navelanareo hamita ny fepotoana niasany izy nohon 'ny fahamaikanareo hikatsaka sy hanao ampihimamba ny harem - pirenena teto Madagasikara. Ary raha ny fitanisanareo ny asa vitan - dRajoelina no hirahirainareo isak ' izay miteny eny anivon ' ireny onjam - peo ireny, dia mbola fahadisoana lehibe ihany koa, satria asa zara fa vita ireny mba ho entina hanakonana ny ratsy natao sy ilay fanangonan - karena be teto, koa samia isika mieritreritra, fa hoy ny tenin ' i Jesosy araka izay voasoratra ao amin 'ny (Matio, 7 ; 21 - 23) manao hoe : Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra amin 'ny fanjakan 'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon 'ny Raiko Izay any an - danitra.
Maro no hanao amiko amin ' izany andro izany hoe : Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin 'ny anaranao va izahay ? Ary tsy efa namoaka demonia tamin 'ny anaranao va izahay ? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin 'ny anaranao va izahay ? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe : tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay ; Mialà amiko, ianareo mpanao meloka. Amen. Koa araka izany, na hambara aza fa nahavita asa lehibe maro isika, kanefa atsy ambadika tia tena sy manao tantely afa - drakotra ny volam - panjakana sy ny harem - pirenena, dia tsy maintsy ho tsaraina, ary tsy hiditra amin 'ny fanjakan 'ny lanitra na oviana na oviana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.