Politique

Raharaham-pirenena sy fifidianana Mihetsiketsika ny antoko HVM


  • Zoma 23 Septambra 2022

Akaiky ny fifidianana, raikitra ny fidirana ara-politika ny HVM, ka haneho izany etsy amin’ny Foiben-toerany etsy Andraharo rahampitso sabotsy 24 septambra 2022, amin’ny 9ora ka hatramin’ny 1ora tolakandro.

Miomana tahaka ny rehetra, mametraka paikady, ary nanambara fa handray anjara feno amin’ny fifidianana rehetra, ary tsy hafeninay izany, hoy ny Atoa Rivo Rakotovao Mpandrindra Nasionaly. Eo ny fampahalalana bebe kokoa ny antoko, ny arak’olona, ara-kevitra, ny zava-bita, ny vina hoentiny satria akaiky ny fifidianana, fa hanamarika ny rahampitso ihany koa ny famelabelaran-kevitra avy amin’ny sokajin’olona samihafa ataona manam-pahaizana manokana momba ny toekarena, manam-pahaizana momba ny fiarahamonina sady mpanao gazety, solontenan’ny fiarahamonim-pirenena,... Haneho ny fahitany ny raharaham-pirenena ihany koa ny HVM. Taorian’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoha tsy nahatafakatra azy, dia nisafidy ny tsy hanohana kandida. “Na iza na iza lany teo dia niditra tamin’ny fanoherana, fa niankina kokoa amin’izay lany teo sy ny fomba fitantanany, tsy ilay olona akory no tsy tiana”, hoy Atoa Rivo Rakotovao. Naneho anefa fa mihaino ny hafa amin’ny resaka fifanakalozan-kevitra, hanatsarana ny tontolo politika, fifidianana, fiarahamonina eto amin’ny firenena,... Afa natsidiky ny HVM omaly fa mijanona ao anatin’ny fomba fijery niarahana tamin’ny RMDM, PANORAMA,… amin’ny filazana fa mila fijerena ny mikasika ny fifidianana tahaka io CENI io, fa tsy hoentin’ny Fanjakana na ny CENI any sady tsy mihaino no tsy miresaka fa ny ataony ihany no tohizany. Nanamafy ny Sekretera Jeneraly Nasionalin’ny HVM Atoa Alain Désiré Rasambany fa atokan’ny HVM manokana hisantarana ny raharaham-pirenena io, ary miezaka misokatra, nanasa olona maro toy ny filohan’antoko, filohana fikambabanana izay mitovitovy fomba fijery, ho avy ihany koa ny solontena avy any amin’ny faritra. Hampiranty ihany koa ireo zava-bita, nampisongadina ny antoko tao anatin’ny 9 taona, dia ny 5 taona nitondrana sy ny 4 taona nanoherana, ny filomanosana tao anatin’ny raharaham-pirenena,... Hisy tranoheva manokana ho an’ireo te hanatevin-daharana ny Antoko HVM.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT