RAHARAHAM-PIRENENA

Sao variana amin’ny Barea fa mbola misy afera maro tsy mazava a !


  • Alakamisy 28 Aogositra 2025

Takon’ny fahombiazan’ny Barea avokoa ny vaovao hafa rehetra aloha.

Tsy azo adinoina anefa fa mbola eo ny raharaha Ambohimalaza nahafatesana tanora 33, iandrasana ilay fitsarana azon’ny besinimaro atrehina, ilay aferana Boeing lasa any Iran, ny delestazin’ny Jirama izay tsy mbola hita mihtsy hatramin’izao hoe inona marina ny vahaolana, ireo fitaovamben’ny Jirama tonga ao amin’ny seranatsambon’i Toamasina hoe alefa aty Antananarivo mba aiza fa toa tsisy resaka intsony mihitsy.Nijanona teo amin’ny hoe fanamafisana ny tetezana amin’ny RN2.
MARO IREO ZAVATRA MANJAVOZAVO
Ireo rehetra ireo dia fiainam-pirenena, ary manan-jo ahalala ny tena marina ny vahoaka, indrindra fa misy zavatra maro manjavozavo ao ambadik’ilay izy ary misy anarana olona ambony voatonotonona. Fanadihadiana lalina sy eny amin’ny fitsarana notokony hamantarana sy hivoahan’ny marina fa tsy boriboriana fotsiny ny resaka hoe tsy misy idirako na tsy misy idirany ny afera. Saingy ny eto moa dia efa zary lasa fomba fiasa ny fanaovana serasera mihoapampana be , atao mamirapiratra mba tsy hifantohan’ny olona be loatra amin’ny zava-manahirana tena izy sy ny zavatra maizimaizina ataon’ny sasany. Na misy manampahefana manao don-tandroka haingana be hoe izao no marina amin’io, tsy nisy hoe vita ny fitsarana fa terana fotsiny eken’ny rehetra hoe izay no marina. Misy anie ny atao hoe visite sy contre-visite na expertise sy contre-expertise efa fanao maneran-tany e, fa tsy misy hoe rehefa miteny ny manampahefana na olona ambony ao amin’ny fitondrana dia tsy maintsy iny no marina. Sa ve nanatrika ilay aniversera teny Ambohimalaza ny governemanta ka nahita ny zava-drehetra niseho marina tao ? Ary ny fitsarana dia mbola afaka mangataka fanaovana fanadihadiana lalina kokoa rehefa misy zava-baovao mitranga momba ny raharaha iray. Ny resaka teleferika 4000 ariary tany am-piandohana ny sarany, nampidinina 3000 ariary satria hoe lafo sy mety te hanome fahafaham-po ny vahoaka fa ahoana ny famerenam-bola ? Mahaleo ny sarany ve ny vidiny ? Aoka tsy ho adino fa mandoa ny trosa nindramina nanaovana an’io ny malagasy mandritra ny 10 taona mahery. Lasa aiza ireo Train Urbain eto Antananarivo efa nandaniana vola be ny nanamboarana ny fotodrafitrasa ? Ny zavatra toa izany no tena andrasana fanairana sy fisintonana lakolosy avy amin’ireo solombavambahoaka : manontany, manadihady, mitaky ny mangarahara, manara-maso ny asan’ny governemanta ary mitatitra amin’ny vahoaka. (Sary fanehoana)
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT