Raharaham-pirenena

Nametra-pialana ny Governemanta Ntsay…


  • Alakamisy 21 Desambra 2023

Omaly 20 desambra ny filankevitry ny minisitra voalohany notarihin’i Andry Rajoelina

taorian’ny fianianany izay nametrahana azy ofisialy ho filoham-pirenena hanao taom-piasana faharoa. Notarina tamin’izany fa niarahaba azy tamin’ny anaran’ny governemanta manontolo ny Praiminisitra. Nandritra io kosa no nanamafisan’i Andry Rajoelina fa andry 3 no hiorenan’ny fitantanana ny firenena ao anatin’ny fe-potoam-piasany vaovao : ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny sosialin’ny vahoaka Malagasy ; ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronan’asa ; ny fametrahana Fanjakana tsara tantana amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly. Raha raisina amin’io, dia nanamafy ny filalaovana tarehimarika na « numérologie » i Andry Rajoelina satria nampifanarahana tamin’ny laharana tamin’ny propagandy indray izany ny andry 3 hitantanana ny firenena. Hangina sy hivalona hatreo indray ve ilay hoe : « Velirano 13 » ? Ankoatra an’io moa, dia isan’ny nisongadina tao anatin’ny tatitry ny minisitra fa dia nanolotra ny taratasy fametraham-pialany ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian araka ny fanajana ny fenitra Repoblikanina, ary noraisin’ny Filoham-pirenena io. Manohy ny fampanandehanan-draharaha andavanandro na « affaires courantes » kosa anefa ny governemanta izay efa nametra-pialana mandra-panendry ny governemanta vaovao. Samy miandry izany ny rehetra hoe : rahoviana no ho voatendry ny Praiminisitra vaovao ? Hanao ahoana ny ho firafitry ny governemanta ? Ho voatazona ny Praiminisitra Ntsay Christian sa ho olon-kafa mihitsy ? Mandeha ny feo fa mety ho vehivavy indray, saingy samy miandry ny rehetra satria any amin’ny filoham-pirenena ny baolina. Anarana anisan’ny mandeha ny mety hanendrena an-dRtoa Manorohanta Cécile izay anabavin’ny Praiminisitra Ntsay ihany ary efa Minisitry ny fiarovam-pirenena tamin’ny fitondrana Ravalomanana, saingy mbola mijanona ho siosion-dresaka hatreto. Momba ny firafitry ny governemanta izay betsaka no mieritreritra fa hisokatra raha tarafina amin’ny kabarin-dRajoelina ny 16 desambra teo, dia « farahafakeliny 50% ho azy na milaza hisokatra aza. Tsy voatery ho mpanao politika sy mpiara-mitolona, fa azony omena ny olona tena mahavita na teknisianina satria ny zava-drehetra dia efa politika », hoy i Herimanjaka Tsilavo Manantsoa, Olom-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT