Raharaham-pirenena

Mitohy hatrany ny tolona !


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

Tafiditra ao anatin’ity herinandro diavintsika ity ny 16 novambra kasaina hanaovana fifidianana amboletra.

Miziriziry tsy te hahalala izay dinika fandaminana sy fehin-kevitra hanemorana izany mba handaminana ny kianja politika, fa indrindra manao tsinontsinona ny tolom-bahoaka ny fitondrana, ka mampiteny ny basy aman-tafondro hampanekena izany. Na izany aza, mitohy ny tolona ho an’ity anio ity, raha ny toromarika. Hizara roa izany, ka hisy ny hotarihin’ny Firaisankinan’ny kandida izay eny Antaninkatsaka Itaosy no fotoana nomen’izy ireo ny vahoaka hanohizana sy hanamafisana ny tolona. Hisy ihany koa ny hetsika am-pilaminana rahampitso manomboka amin’ny 10 ora maraina eny Anosy, izay tarihin’ireo ao anatin’ny Hetsika Fotsy. Mifampitantana daholo ny olona rehetra manao akanjo fotsy, manodidina ny lac Anosy, tsy manakana fifamoivoizana izany, tsy manao fihantsiana,… fa maneho ny tsy fankatoavana Fifidianana maloto sy feno halatra (chaîne de contestation), firaisam-po amin'ireo mpitolona maratra sy voasambotra ary voafonja (chaîne de solidarité), hoy ny toromarika. Raha toa ka mihoatra ny isan'ny olona (ampoizina), dia manodidina ny Kianjan'ny Mahamasina no hanohizana azy. Ny COLLECTIF des CANDIDATS dia hanohana tanteraka io Hetsika fotsy io, ary entanina hanao an'io koa ny any amin’ny Faritany, hoy ny fanentanana. Samy miandry izay ho fisehony anio izany ny rehetra, fa raha jerena amin’ny lafiny fotoana, dia mety hafampana ity herinandro ity satria andaniny ny mpitondra Fanjakana dia miezaka mafy mamoritra sy mandrava ary tena mampiasa hery mba hampanginana sy hisakanana ny vahoaka izay tsy mankasitraka ny fifidianana amboletra, tsy azo antoka, tsy eken’ny rehetra,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT