Politique

Raharaham-pirenena Misoko miadana ny tetezamita vaovao ?


  • Alakamisy 05 Aprily 2018

Heverina fa samy miandrandra ny fifidianana ny Malagasy mba tsy hiditra ao anaty krizy vaovao. Lalàna ahafahan’ny fahamarinana milatsaka sy ahafahan’ny ara-dalàna miasa no andrasan’ny vahoaka.

 

 Lany ankehitriny ilay lalàna hifehy ny fifidianana kanefa mitsipaka izany fandaniana izany ireo solombavam-bahoaka mpanohitra no sady malaza ny resaka kolikoly tamin’ny fandaniana azy io. Ahiana araka izany ny tsy filaminana eo amin` ny fiainam-pirenena. Efa miely ny feo ary efa miresaka azy daholo na ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao politika sasany, ny tafika,… fa efa misy miandry hirika hanararaotana ny tsy filaminana misy hananganana tetezamita vaovao mba hanomanana fifidianana milamina sy mangarahara. Araka ny tsiliantsofina re,  tetezamita ara-dalàna no apetraka, izany hoe fananganana governemanta hampahomby ny tetezamita ka hanao izay hahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fandaharan’asa nifanarahana fa hotanterahina ao anatin’ny fe-potoana voatondro mialoha. Voafaritra mazava ihany koa ny anjara andraikitra ny tsirairay mandray anjara ao anatiny mba tsy hisian’ny fiovan-kevitra eny antenantenan-dalana. Ao anatin’izany fe-potoana voatondro izany no hanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka mba ahafahana miroso amina fifidianana marina sy mangarahara. Araka izany, ny zavatra tokony ho hita ao anatin’ilay lalàna mifehy ny fifidianana dinihana eny amin’ny antenimieram-pirenena dia tokony hamaly ny fizotry ny fifidianana mba tsy hisian’ny korontana. Misy no mihevitra fa mila fiovam-penitry ny firenena izany hoe rafitra vaovao sy hevitra vaovao kanefa ny fitondrana ankehitriny no tokony hanana fanapahan-kevitra hanova ilay rafitra. Hatrizay mantsy ny olona ihany no vaovao fa ny tonta ihany no havadibadika. Ahiana indray ny hisian’ny korontana ato ho ato.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT