Raharaham-pirenena

Miha mahazo vahana ny tolona


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2023

Andro fahadimin’ny tolona tarihin’ny tolon’ny kandida ny sabotsy teo niainga teny Ankazomanga.

Tsapa sy tsikaritra fa miha mahazo vahana ary mitombo hery hatrany ny tolona na teo aza ny fandemen-tsaina sy herisetra niseho tamin’ny heriny maro: fisamborana, famotehana fananana tahaka ny fiaran’ny kandida Siteny izay ny sabotsy teo izao dia nisy nitifitra tamin’ny “bombe sale” ankoatra ireo herisetra samihafa efa nandeha. Tsy mahasakana ireo kandida izay manamafy ny firaisan-kinany izany, ary mitombo hatrany ihany koa ireo vahoaka resy lahatra fa ilaina ny mandray an-tànana ny hoavin’ny firenena. Arakaraka ny hampiasana ny herisetra sy famoretana no toa vao mainka mampiakatra ny hambom-pon’ny olona satria tena latsaka anaty lavaky ny kajy maloto ara-politika miteraka krizy sy fahantrana lalina ny firenena, ary tena miantraika amin’ny fiainam-bahoaka. Manomboka tafiditra any an-tsain’ny olom-pirenena ny hoe: ny fahanginan’ny olo-marina no manome vahana ny fanjakan’ny ratsy. Raha jerena ny tao anatin’ny herinandro nisian’ny tolona izay, raha tarafina amin’ny hoe: andro andavanandro izay iasana, niainga alatsinainy hatramin’ny zoma, fa sabotsy no hany mety ahafahan’ny sarambabem-bahoaka mandray anjara, dia tsy arakaraka izay fa tena nitombo hery hatrany hatrany. Miakatra hatrany ny tsindry politika hitakiana ny fanadiovana ny fifidianana, hitakiana ny fanajana ny fiandrianam-pirenena, fanajana ny fanjakana tsara tantana, fitakiana ny fitoviana lentan’ny rehetra, fampitsaharana ny setrasetra politika,…
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT