Politique

Raharaham-pirenena Manomboka mitsoka ny rivo-baovao


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2023

Mila rivo-baovao isika fa sempotry ny fifankahalana ara-politika, hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Tahina Razafinjoelina, nandritry ny kaongresin’ny antoko politika Tia Tanindrazana tao Fianarantsoa,

izay notronoin’ny vovonana politika Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana ary niara-nanolotra ny tenany tamin’ny fomba ofisialy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 atao ny 9 novambra izao. Vonona ho kandida aho ary tsy maintsy miroso isika, hoy moa ny tenany, na dia eo aza ny sakantsakana samihafa toy izay nitranga tamin’iny andron’ny 11 aogositra ka nampiova in-3 ny toerana nanatontosana ny kaongresy iny. Voatery noferana ny isan’ny olona nanatrika. Vahoaka maro no tsy tafiditra tao an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray, ary vahoaka maro koa araka izany no efa te hiroso amina lalam-baovao indray hanavotana ity Madagasikara ity. Mitsoka ny rivo-baovao. Rivotry ny firaisankina sy fihavanana lavitry ny fifanandrinana politika sy ny fifankahalan’ny mpiray tanindrazana aterak’izany. Tsy mahay mifamelona intsony ny fiarahamonina, hoy ny mpanakanto sady mpahaifiarahamonina, Zafimahaleo Rasolofondraosolo na Dama. Lasa mifanambaka sy maika hifaninana. Fifanampiana no antoky ny fahombiazana fa tsy fifaninanana, hoy kosa ny kandida Tahina Razafinjoelina. Zava-dehibe ny firaisankina, hoy izy, satria miaraka vao mandresy fa tsy misy hoe mandresy vao miaraka ary aza miandry fanovana fa isika no aoka ho fanovana.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT