Raharaham-pirenena mangotraka

Sarotra ny hahavitan-dRajoelina 5 taona…


  • Alarobia 05 Jona 2024

Sarotra ny toerana misy ny Filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina. Miha tsy marin-toerana hatrany, niainga tany amin’ny raharaha zom-pirenena vahiny,

nitohy tamin’ny fifidianana nampiahiahy sy tsy nandraisan’ny rehetra anjara tamin’ny taona 2023, izay isam-bato 2 858 947 nanome salan’isa 58,96% no azon’i Andry Rajoelina. Io ny vokatra tsara indrindra ho azy, tao anatin’ny fifidianana nandeha ila. Taratr’io no tokony ho valin’ny fifidianana depiote, ary ratsy noho io aza raha ny lojika satria niverina nandray anjara tamin’ny fifidianana ireo antoko sy vovonana lehibe aza lazaina fa matanjaka. Ratsy toerana ny IRMAR ao anatin’ny fifidianana depiote, saingy io iaraha-mahita io ny kajikajy sy ny tsindritsindry hanodinkodinana voka-pifidianana, efa niainga tany amin’ny fampielezan-kevitra sy talohan’izay. Manao izay fomba rehetra hahazoana sy hitazonana ny maro an’isa eny Tsimbazaza ny fitondrana, dia io iaraha-mahita io ny ahiahy amin’ny voka-pifidianana. Betsaka ny endrika toa maneho fa mibontsina tampoka ny vaton’ny kandidam-panjakana, raha tsy hilaza afatsy ny tranga ao Morondava, Ambatofinandrahana, Antananarivo I, Antananarivo III, Antananarivo VI,… Marina fa lojika ny mety ho fiakaran’ny vokatra arakaraka ny fahatongavan’ny vato, saingy betsaka ny ahiahy. Na inona na inona ho vokatra eo, dia ratsy toerana ny Filoha ankehitriny, miorina eo ambony fahefana tsy tena am-pahamarinana. Mialokaloka eo ambony filalaovana ny manam-basy ho fiarovan-tseza, miantehitra amin’ny fanaovana fitaovana ny fahefam-pitsarana,… Hita taratra amin’ireo voka-pifidianana indrindra fa amin’ny tanàn-dehibe ny endrika famaizana ara-politika tamin’ny alalan’ny « vote sanction » satria maro ireo renivohitra na renivo-piaritany, izay tsy dia nahazoan’ny kandidam-panjakana vato. Andrasana moa ny vokatra ofisialy izay betsaka ny ahiahiana hitsimbadika, saingy tsy hahafahan’ny fitondrana mahazo fahamarinan-toerana. Marina fa mety hahazo ny maro an’isa ao Tsimbazaza, saingy tsy tena maro an’isa lojika sy marin-toerana na « légitime » fa maro an’isa tao anatin’ny tery vay manta sy mety ho tsy azo tamin’ny fahamarinana. Miha vizana ny tanjaka politikan’ny volomboasary, sarotra ny fahamarinan-toerana ara-politika ao anatin’ny 5 taona, raha tsy hanao fandaminana anatiny amin’ny alalan’ny « cohabitation » na fisokafana ara-politika amin’ireo hery hafa. Ny toe-draraharaha ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-pihariana,… ihany koa mbola vato mandindona ny fitondrana manaratsy hatrany ny endriny, fa indrindra indrindra ny diplaomasia tsy marin-toerana. Ahiana tsy hahavita 5 taona noho izany ity fitondrana ity na ekena aza fa mientehitra mafy amin’ny fampiasana ny tafika, milalao ny rafi-pitsarana samihafa, manao fitaovana ny antenimierampirenena,.. Raha tsy miova famindra ny fitondrana, mety hiverina ny raharaha faran’ny taona 1971 izay nahalany 99% ny Filoha Tsiranana, saingy nipoaka ny 1972 avy eo !
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT