Politique

Raharaham-pirenena Mamofompofona tetezamita ny resaky ny FFKM


  • Zoma 17 Martsa 2023

Hisy ny fihaonamben’ireo solontenan’ny FFKM na Fiombonan’ny fiangonana Kristianina eto Madagasikara miisa 35 manerana ny nosy ny 29, 30, 31 martsa izao, raha ny fampitam-baovao voaray.

Araka ny nambaran’ny Vondrona politika hafa miray na VPHM, izay nilaza fa nanontany ny voatoatin’io fihaonambe io tamin’izy ireo farany teo, dia tsy mbola manana heritreritra ny hamory mpanao politika hatreto ny FFKM. Nilaza kosa izy ireo fa miheritreritra ny hisantatra ny fikaonandoham-pirenena amin’ny fikaonandoham-paritra amin’ny volana aogositra izao. Rehefa jerena ny kisarisary rehetra, 4 na 5 volana mialohan’ny fotoana tokony hametrahan’ny filoham-pirenena am-perinasa fialana, raha mbola hilatsaka ho fidiana amin’ny taom-piasana manaraka, dia hita ho mamofompofona kajina tetezamita. Resaka fanadiovana ny tontolom-pifidianana hatreto no voizin’ireo herivelona maro fa tokony hanaovana izay fikaonandoha izay ankoatran’ny resaka fanorenana ifotony ny firenena. Iza intsony anefa izany no handray ny fehin-kevitra na volavolan-dalampanorenana vaovao eo rehefa rava ny rafitra aorian’ny fametram-pialan’ny filoham-pirenena? Mazava ho azy fa hiitatra ny fotoana fampandehanan-draharaha mandra-pahitan’ireo herivelona politika ny marimaritra iraisana amin’izay lalana vaovao tokony hizoran’ny firenena izay. Midika inona daholo itony fitsipaham-pitokisana sy resaka fangatahana fampiatoana ny filoham-pirenena amin’ny asany amin’izao itony? Samy manaraka akaiky ny rehetra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT