Nenjehina sy noharatsiana fatratra i Marc Ravalomanana ny taona 2009 tamin’ny resaka fiaraha-miasa nampiasan’ny vahiny tany tamin’ny alalan’ny orinasa Koreanina Daewoo.
Nambaran’i Andry Rajoelina tamin’izany fa tsy eken’ny Malagasy sy mifanohitra amin’ny soatoavina ny famarotana tany amin’ny vahiny, eny fa na ny fampanofana aza ka natao fitaovana nanonganam-panjakana. Ankehitriny, ny tetikasa fananganana ny tanàna Tanamasoandro, dia iantsoana vahiny hampiasa sy hamatsy vola satria tsy manam-bola ny fanjakana. Fifanarahana avo lenta miendrika famarotan-tanindrazana an-kolaka ny ambara fa fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ny 3P fa tsy hisy vahiny hiala maina izany eo satria tsy manam-bola hanaovana an’izany fanjakana hatreto. Niaraha-naheno ny ampamoakan’ny samy olon’ny fitondrana tamin’ny alalan’ny depiote Naivo Raholdina fa namidin’ny minisitra Hajo Andrianainarivelo sy ny ekipany tamin’ny sinoa sy ny karana ny tanim-panjakana, kanefa raha Malagasy no mangataka tsy mahazo. Nohenjehina fatratra ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany nambara fa manao kajikajy amin’ny lalàna, mangala-bato, manao kolikoly, ka tonga hatramin’ny “miala Rajao” ny raharaha. Tsy mifanalavitra amin’izay ny zava-misy ankehitriny raha tsy hilaza afa tsy ny hala-bato niseho, ny fizaram-bola tamin’ny fifidianana, kolikoly fa tsy nisy fahagagana akory teo. Ny fahatongavan’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana dia efa adihevitra be satria nahiana ny ra mandriaka sy ny ady an-trano tamin’ny alalan’ny fampidirana fitaovam-piadiana teto, izay mety ho antony tsy maintsy nanomezana fandresena azy. Tsy tena mahatoky tena ny fitondrana ka miezaka manao fangejana amin’ny alalan’ny kajikajy politika miainga amin’ny lalàna ankoatra ny fanambazana ny manam-basy. Toa mandrangaranga hery saingy izany matetika no vao mainka nandrehitra ny afo politika teto Madagasikara. Ilay fomba fanao nohenjehina sy nentina namotehana ny hafa ihany no miverina. Raha izao no mitohy dia mety hiafara amin’ny “Miala Rajoelina” io. Efa manomboka misy mivoy izany eny amin’ny tambajotran-tserasera eny, vao fito volana monja nandraisana fahefana. Mila miova famindra ny fitondrana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.