Politique

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?


  • Zoma 19 Jolay 2019

Nanatitra ny taratasy fametraham-pialany sy ny governemanta tarihiny teny amin’ny lapan’Iavoloha omaly 18 jolay maraina ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay

 

 

 

Christian enim-bolana taorian’ny nanendrena azy. Araka ny andininy faha-54 ao anatin’ny lalàmpanorenana, dia ny vondrona parlemantera maro an’isa eo anivon’ny antenimieram-pirenena no manolotra ny anaran’ny praiminisitra, ka ho fanajana izany no anton’izao faharavan’ny governemanta izao satria am-perinasa tanteraka io antenimiera amin’ny endriny vaovao io. Neken’ny filoham-pirenena avy hatrany ny fametraham-pialana ka namoahana ny didim-panjakana 2019-1397 mirakitra izany. Foana noho izany ny didim-panjakana 2019-016 tamin’ny 21 janoary nanendrena ny praiminisitra sy ny 2019-026 ny 24 janoary sy ny 2019-360 tamin’ny 20 martsa 2019 nanendrena ny mpikamban’ny governemanta. 13 volana sy 11 andro no naha praiminisitra an’i Ntsay Christian, ka ny 7 volana voalohany nitarihany ny governemantan’ny marimaritra iraisana, ary ny 6 volana, taorian’ny fanendrena tamin’ny volana janoary 2019, vao vita fianianana ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.

Samy manosika ny olony

Dingana manaraka izany ny fanolorana ny anaran’ireo mety ho praiminisitra avy amin’ny vondrona parlemantera maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena araka ny tondroin’ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana.Anarana 3 no re fa hatolotry ny IRD sy ireo miara-dia aminy ka hisafidy amin’ireo ny filoham-pirenena; ny tena malaza sy re hatry ny omaly hariva aloha dia ny anaran’i Ntsay Christian sy Haja Resampa. Ity farany dia efa niara-niasa akaiky tamin’i Andry Rajoelina satria sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repoblika tamin’ny fitondrana tetezamita. Tsy de re firy intsony anefa izy saingy na izany aza dia misy ireo manosika azy ho praiminisitra raha ny tsiliantsofina re. Nisy fotoana nahoraka ihany koa fa anisan’ireo kandida ho praiminisitra i Hajo Andrianainarivelo izay minisitry ny fanajariana ny tany amin’izao fotoana.Misy solombavambahoaka IRD iray ihany koa re fa maniry mafy ny hiditra eny Mahazoarivo. Re fa henjankenjana ny adihevitra ny amin’ireo anarana hatolotra satria samy manana ny kandidany. Tsara homarihina fa tsy olon’ny TGV Mapar daholo no lasa IRD fa misy avy amina fikambanana sy antoko politika hafa lasa nanohana an-dRajoelina ka eo no mety nahasarotra ny fifandresen-dahatra. Ny filoha irery anefa no tompon’ny fanapahan-kevitra farany ary azo antoka ihany koa fa olona efa za-draharaha ary manana traikefa amin’ny fiatrehana fifidianana ny ho PM manaraka eo no sady mahay miresaka sy mifampiraharaha amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara, izany hoe ny sehatra iraisam-pirenena.

Toky R sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT