Iray andro taorian’ny fihanianan’i Andry Rajoelina ny sabotsy 16 desambra teo, namoaka fanambarana misy teboka 5
maneho sy manamafy ny fitakiany amin’ny endriny maro samihafa ny Firaisankinan’ny Kandida, izay milaza fa tsy miova ny baikom-pitolomana. Voalohany, nohamafisin’izy ireo ny fitakiana efa natao hatramin'izay: fanajana ireo lalána velona rehetra sy ny fanatsarana ny tontolon'ny fifidianana amin'ny ankapobeny mba hisorohana ny krizy ateraky ny fifidianana. Koa satria tsy feno ny fepetra notakiana dia tsy nandray anjara tamin'ny fampielezan-kevitra izahay ary tsy mankatoa ny sarintsarim-pifidianana izay sady feno hosoka mibaribary. Noho ireo antony rehetra ireo dia tsy nanatrika ny lanonam-pianianana natao ny sabotsy teo izahay, hoy fanamarihana. Faharoa, nampahatsiahy hatrany fa miady ho an'ny tany tan-dalana, ka izany no nametrahana ny volavolan-dalàna mikasika ny fifidianana teny amin'ny Antenimierampirenena, entina hanatsarána ny tontolon'ny fifidianana eto Madagasikara araka ny tolo-kevitr'ireo mpanara-maso ny fifidianana avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Momba ny tohin’ny raharaham-pirenena kosa, nilaza fa vonona hiatrika ny fifidianana rehetra ny « Collectif des candidats » rehefa mihatsara ny tontolom-pifidianana ary voahaja araka ny tokony ho izy avokoa ny lalána rehetra satria izay ihany no antoky ny fitoniana ho an'ny firenena iray. Fahaefatra, ny tsy fahamarinan-toeran'ny mpitondra toy izao, hoy izy ireo, dia mitarika mankany amin'ny fikorontanan'ny fiarahamonina izay miseho amin'ny endriny maro, toy ny efa iainantsika amin'izao: mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, manjaka ny kolikoly, tsy misy ny fifampitokisana ka misakana ny fampivoarana ara-ekonomika sy ara-tsosialy rehetra. Ny teboka fahadimy farany kosa no nanehoan’izy ireo, fa tsy maintsy mitohy ny tolona ho an'ny demokrasia sy ny tany tan-dalana. Entanina hatrany ny olom-pirenena tsirairay avy hanara-maso akaiky ny zava-mitranga rehetra eto amin'ny firenena, indrindra ny zotram-pifidianana. Entanina isika hilaza ireo tsy mety rehetra satria zontsika feno izany, hoy ny Firaisankinan’ny kandida. Tsara ny mampahatsiahy, fa nialohan’izao dia nanambara ny fitsanganan’ny rafitra handrindra ny tolom-bahoaka ny Firaisankinan’ny kandida, ary naneho fa mitsangana ny « cellule de crise » hiatrehana izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.